Politique

Niray feo ny depiote Lany 100% i Christine Razanamahasoa


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Lany ho filohan’ny antenimieram-pirenena Rtoa Razanamahasoa Christine, solombavambahoaka IRD ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana omaly.

 

 

151 ny depiote mandrafitra io andrim-panjakana io, ka ny 147 no tonga nifidy, ary nampandany azy 100% tsy nisy vato fotsy na vato maty. Kandida tokana moa izy ary na ny Tiako I Madagasikara antoko mpanohitra aza dia nilaza tamin’alalan’ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa hifidy an’i Christine Razanamahasoa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena amin’ny anaran’ny fitoniana. Fanoherana araka ny lalàna fa tsy fanoherana bontolo no ataonay hoy ny Me Hanitra. Mila modely amin’ny demokrasia isika, ary mila mahay mifampihaino sy mifampitsikera. Na mpanohitra aza izahay dia vonona hifidy an’i Christine Razanamahasoa raha vonona hihaino sy hanaja ny rehetra izy, hoy io depiote io. Nanome toky moa Rtoa Christine Razanamahasoa fa :  “omen-daka ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanajana ny hevitra tsy mitovy, hiantoka ny fanatanterahana ny programa “Emergence Madagascar” ao anatin’ny fanajana lalàna. Samy hisitraka ny fampandrosoana ny distrika rehetra, hanara-maso amin’ny fomba mahomby ny asan’ny governemanta, izay fahefana omen’ny lalàmpanorenana ny depiote. Zava-dehibe ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka. Ho andrim-panjakana mendrika sy matanjaka ary manaraka ny toetr’andro, hanana endrika vaovao satria matanjaka ary hanjakan’ny fifanajan-kevitra tena izy. Miantso soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra eo anivon’io andrim-panjakana io ny tenany. Hitondra fanatsarana maro, ka voakasika avokoa ireo rafitra rehetra.

“Omeo fitaovana izahay”

Nahazo tehaka mirefodrefotra tamin’ireo solombavambahoaka nivory teny Tsimbazaza omaly ny fanambarana nataon-dRazanamahasoa Christine nanao hoe: “mangataka aminareo ao amin’ny governemanta izahay omeo anay ny fitaovana hahafahanay manatanteraka ny asanay...fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena io koa ho tazomintsika amin’ny teniny izy”, hoy Rtoa Razanamahasoa Christine. Hivoy ny firaisankina aho, hoy ity filoha vaovaon’ny antenimiera ity, hijoro amin’ny fahazotoana sy ny faharisihana, hampiroborobo ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra irasam-pirenena ary tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampandrosoana ny distrika tsirairay avy ka mahazo mahatoky ny solombavambahoaka rehetra. Nisaotra depiote tsy miankina, ny TIM izay mpanohitra, ary ny tsy miankina io Filohana andrim-panjakana io, ary nanome toky fa hitazona ny teny nomeny, ka dia ho hita miandalana eny izany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT