y ho matinao aho ! Ianareo no hisolo ahy any am-ponja !»
Nipoitra tamin’ny alalan’ny fandefasana hafatra sy fanambarana indray ny Médecin-Colonel Patrick Rakotomamonjy, herinandro taorian’ny fanamelohana goavana azy ny alin’ny 02 jolay teo. 20 taona an-tranomaizina sazy mihatra no nanamelohana ka fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena, fifofoana ain’olona, fanalam-baraka,… no vesatra niampangana ity mpitsabo sady manamboninahitra ity izay voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fametrahana « cocktail molotov » teny amin’ny Villa Pradon Antanimena sy teny amin’ny PAC 67Ha ny fiandohan’ny volana aprily 2025. Tsiahivina fa voasambotra ny 14 aprily, saingy tafatsoaka ity Kolonely ity, saingy nisy olona 30 natao famotorana, ka 5 naiditra teny Tsiafahy, 2 teny Antanimora ny 30 aprily. Ny Cour Criminel ordinaire no nitsarana azy ny alin’ny 2 jolay, ka voalaza nohafahan’ny Fitsarana kosa ny vadin’ny Medecin-Colonel Patrick Rakotomamonjy, saingy naverina any am-ponja vonjimaika indray mandra-piandry ny fotoam-pitsarana ny fampiakarana ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana mpandrava didy na « Cour de Cassation » nataon’ny Ministere Public, raha ny filazan’i Fanirisoa Ernaivo tao amin’ny pejin-tseraserany. Raha hiverenanana dia nisy ny fanambaran’i Andry Rajoelina ny 04 mey, fa tsy tokony hampidirina amin’ny mety ho heloka nataony ny vadiny, ka navoaka ity farany, avy eo io naverina any am-ponja io. Herinandro taorian’ny fanamelohana azy vao nipoitra indray ity manamboninahitra ity, ka nilaza fa eo anatrehan’ny raharaha rehetra sy ny zava-mitranga dia tsy mivaona amin’ny fanambarana maromaro efa nataony. Niantefa tamin’i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga. « Tsy anareo mirahalahy i Madagasikara, tsy mendrika iainana fiainana ohatran’io ny vahoaka ao an-tanindrazana. Ary na nandefa olona ho aty Frantsa aza ianao Atoa Ravatomanga hifampiraharaha amin’ny diaspora, izaho tsy voavidy, izaho tsy ho matinao. Ianao sy ny mpiray tsikombakomba aminao no hisolo ahy any am-pigadrana. Izay iray « terroriste » na izaho na ianareo miralahahy. Izay iray manao « association des malfaiteurs » na ianareo roalahy. Na hamoizako ny aiko aza, tsy maintsy miova ny Firenena », hoy ity kolonely ity.
HANOHY NY AMPAMOAKA, HANOME TOROMARIKA,…
Milaza ny tenany, fa nisy ny lieutenant antsoina hoe Randriamaromanana novonoina satria niaro ny madinika ho an’ny tanindrazana, nisy an’izany kapiteny antsoina hoe : Thomas Sankara izay nivoaka tao amin’ny ankademia miaramila, nalain’ny Ibrahim Traoré tahaka. « Tsy maintsy avotro ihany koa ny Firenena, ka manomboka izao dia hiteny aminareo isan’andro aho, ka ny voalohany ampamoaka ary ny faharoa ny toromarika rehetra. Hanombohana azy, niantso ny mpiasam-panjakana hanatsahatra ny asany, niantso ny mpampianatra hampiato », hoy ity kolonely ity. Na izany aza, betsaka no mametra-panontaniana hoe : aiza ihany no fiatraikan’ny hetsika sy toromarik’ity manamboninahitra ity izay milaza fa manana mpiara-dia maro ao an-damosiny ? Tena hivadika hetsika na « action » sa hijanona fanambarana sesilany ? Inona no mety ho fiantraikany ? Andaniny, mety hiampy ny vesatra toy ny resaka fiantsoana fikomiana, fandrahonana mpitondra ambony,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.