Politique

Ninie Donia Nohelohina higadra 18 volana an-tranomaizina


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Nivoaka ny takarivan’ny omaly 25 aprily 2023 ny didim-pitsarana an-dRtoa Eliane Bezara na Ninie Donia no ahafahantaran’ny rehetra azy eo amin’ny sehatry ny mozika salegy sy ny tontolo politika.

Ny talata lasa teo izy no niakatra fitsarana, saingy omaly vao nivoaka ny didin’ny fitsarana ao Nosy Be, izay manameloka azy sazy mihatra 18 volana volana an-tranomaizina . Efa 10 volana teo moa izay no nisamborana sy nampidirana am-ponja azy noho ilay raharaha fitarihana vahoaka anatin’ny Fikambanana Zafin’I Fotsy hanohitra ny ambarany fa tanindrazan’izy ireo. Nisy fotoana efa nokasaina hovonoina I Ninie Donie fa hoe: manelingelina, raha ny horonam-peon’ny olona isan’ny sosotra aminy, izay tafaporitsaka. Nampirimina tany am-ponja avy eo, ary io nilatsaka io ny didy ka fandravana tany miaro fifamaliana tamin’ny mpitandro filaminana ary faniratsirana manam-pahefana no isan’ny vesatra nandetehana azy. Betsaka no milaza fa tafiditry ny fanenjehana ara-politika ny mahazo azy satria tsiahivina ihany koa fa Filohan’ny Vondrona mpanohitra RMDM any Nosy Be I Ninie Donie. Aorian’ny fifidianana Filoham-pirenena izany vao ho tafavoaka, raha tsy misy ny fihenan-tsazy amin’ny fampiakarana na fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT