Politique

Nihaona Ratsirahonana sy Kaleta “Tsy misintaka ny AVI fa manitsy”


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Isan’ny vaovao ara-politika nafana nanomboka ny faran’ny herinandro teo nitohy tamin’ity herinandro ity ny voalaza fa tsy fitovian-kevitra teo amin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana Filohan’ny Antoko AVI sy Atoa Soja Jean André

 Filohan’ny Liaraiky, taorian’ny fanambarana nataon’iry voalohany fa izay Fanjakana ialan’izy ireo dia miongana, ary nanaovany tsindro paingotra ihany koa fa tokony hisy ny Fanjakana tan-dalàna satria tsy misy fampandrosoana ao anatin’ny gaboraraka sy afera maloto. Nitondra valin-kafatra kosa Atoa Soja Jean André Mpanolontsaina manokana ara-politikan’ny Filoha, fa tsy tokony hatao takalon’aina politika ny fanohanana, ary misy fitsipika mifehy ny vovonana mpanohana ny Filoha dia ny IRD. Nilaza kosa ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert avy amin’ny AVI omaly, fa mpinamana izy mirahalahy ireo. Mipetraka foana ny finamanana fa samy manana ny antokony, ao anatin’ny Vovonana IRD. Heverika fa fandikana na tsy fahazoana resaka fotsiny ny resaka voizina etsy sy eroa, fa ny zavatra azo lazaina dia manohana tsy misy fepetra ny Fanjakana mijoro amin’izao ny Antoko AVI tarihin’ny Filoha Norbert Lala Ratsirahonana. Ao anatin’izay fanohanana izay kosa anefa, dia tsy midika fa tsy hiteny izay olana heverina fa manimba endrika ny Fanjakana ny Antoko AVI. Manamarika fa ny fanohanana tsy hijerena tavan’olona ka raha misy tsy mety dia mijoro miteny . Ny filazana ankoatra izany dia heverinay fa tsy marina, ary manamafy fa ny AVI dia mbola ao anatin’ny Vovonana IRD. Ny fitenenana ny zavatra tsy mety teo aloha dia tsy midika fa misintaka. Raha milaza izy fa nisy fiarahana tamin’ny fitondram-panjakana teo aloha, ary raha niala izy dia niongana izany fitondram-panjakana izany dia tsy milaza fa zava-misy amin’izao fotoana izao, fa hatreto dia manohana ny fitondrana ny AVI. Mpinamana Atoa Norbert Lala Ratsirahonana sy Atoa Soja Jean André ka heverina fa hiravona ao anatin’ny fanohanana ny Fanjakana ankehitriny, raha ny nambaran’Atoa Milavonjy Philobert. Ny filazana fa fivakisana, matoa milaza fa mbola ao anatin’ny IRD ireo antoko ireo, dia tsy misy antony tokony hilazana fa vaky io vovonana mpanohana ny Filoha ankehitriny io, raha ny nambaran’ity depiote ity hatrany.
NIHAONA SY NIFANDRAY TANANA
Omaly, nihaona ireo andrarezin’ny politika roalahy ireo, nifandray tànana nilaza ampahibemaso ny fanohanana tsy misy fepetra ny filoha ankehitriny Andry Rajoalina. Nanamafy ny AVI fa raha nanao fanambarana andro vitsy lasa izay, dia teny ahafahana mifanitsy no nentiny fa tsy fisitahana akory. Tsy tongatonga ho azy anefa ireny satria nisy ihany ny karazana tsindro-paingotra maneho ny tsy fihetezana samihafa nataon’ny AVI. Ho voatazona hatrany amin’ny fifidianana ve ny fiarahana sa ho tonga amin’ny tsotsorimbamba hisarahana ihany aoriana kely?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT