Politique

Nidoboka am-ponja ny meran’i Vavantenina Takian’ireo olom-boafidy namany ny hijerena azy


  • Zoma 03 Martsa 2023

Nidoboka am-ponja vonjimaika omaly ny Ben’ny tananan’ny kaominina ambonivohitr’i Vavantenina Rtoa VOLANIMANANA Marie Aurélie sy olona iray mpiara-miasa aminy.

Ny fitsarana mahaleo tena miady amin’ny kolikoly na ny PAC no voalaza fa nandray izany fanapahan-kevitra izany taorian’ny nahafantarana fa voasaringotra tamina resaka kolikoly ity olom-boafidy iray ity ka natao fanadihadiana. Resa-bola no tena fototr’izany hoy ny loharanom-baovao azo. Na izany aza mbola hitohy ny fanadihadiana. Tohana avokoa ireo ben'ny tanàna namany rehetra ao amin'ny faritra Analanjirofo raha vantany vao nandre izany omaly. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo ka nambarany fa maneho alahelony sy ny firaisan-kinany amin'ity ben'ny tanàna nogadraina ity izy. Hangatahany araka izany ny hijeren’ny tompon'andraikitra ity Ben’ny tanana ity izay nomarihin’izy ireo fa mba nahavita tsara ny asany ihany. Mbola banga aloha hatramin’ny omaly araka izany ny toeran’ity Ben’ny tanana iray ity.
Nangonin’i Pati Legende : Rtoa VOLANIMANANA Marie Aurélie Ben’ny tananan’i Vavantenina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT