Nicolas Randrianasolo sy ny GJMP

«Voaporofo izao hoe iza marina no tena mpandainga»


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Mitarika vonjimaika izahay ankehitriny, raha ny vokatra vonjimaika hitanareo navoakan’ny CENI

tany amin’ireo haino aman-jery, hoy ny kandida solombavambahoaka tao Betroka farany teo, Jean Nicolas Randrianasolo sy ireo iray antoko ao amin’ny antoko politika tarihiny dia ny GJMP na «Groupement des Jeunes Malgaches Patriotes», tetsy amin’ny Etoile rouge Andohatapenaka omaly. Maro, hoy ity kandida ity, no mandainga izao ao Betroka ao fa tsy mahatanty ny fahareseny. Vao omaly (TTF:ny sabotsy teo) ny kandida laharana faha 3, mipetraka tany Nosy be nandritry ny firy taona dia nirotsaka depiote satria manan-katao, hono! Ho gaga amin’ny fandreseko ve isika raha hoe 3000 no elanelam-batonay? Tsy hiteny aho hoe kely io. Io no lahatr’Andriamanitra fa raha jerena amin’ny maha olombelona sy ny zava-bitanay dia tsy tokony ho io no vokatra! Tsy tahotra tsy henatra ireo mpifaninana amiko dia mandainga amin’ilay olona! Avelao ny HCC hanao ny asany! Zonao ny mitory raha manana porofo. Zonay koa ny miaro tena rehefa voapanga. Rehefa matoky tena ianao fa nangalatra tokoa izahay dia mitoria any amin’ny HCC! Misy delege tany amin’izany biraom-pifidianana izany. Misy solontenam-panjakana. Misy mpitandro filaminana manodidina. Maninona ny delegenao no nilaza fa tsy nisy korontana tao? Heverin’ny kandida laharana faha 3 ho mitovy amin’ny fifidianan’ny federasionin’ny tsipy kanetibe angamba izany fifidianana depiote izany? Kaominina miisa 3 no nandresenao ahy. Maninona aho tsy nitory? Maro ny folaitra nataon-drizareo toy ny mitatitra olona amin’ny kamiao. Hain’ny komandan’ny borigady izany. Hain’ny komandin’ny kaompania izany. Hain’ny kaomisera! Natory tany amin’ny kaominin’Ambatonivary ireo kandida ireo satria tsy misy fifidianana any fa mizara vato arakaraka ny vola omena ireo olona ao. Narahanay maso izany. Io kandida laharana faha 3 io ilay nanohana an’i Siteny Randrianasoloniaiko tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Voaporofo izao hoe iza marina no tena mpandainga sy ny milaza ny marina. Tsy manana olana amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina aho fa io kandidan’ny IRMAR io no mandainga, hoy hatrany ity kandida solombavambahoaka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT