Niala Ramanambitana

Sady PDS eto Iarivo no ho kandida i Harilala Ramanantsoa ?


  • Talata 27 Aogositra 2024

Volana vitsivitsy aty aoriana, niala tsy ho Filohan’ny Delegasionina manokana na PDS eo anivon’ny Kaominina

Antananarivo Renivohitra Atoa Richard Ramanambitana izay voatendry tamin’io toerana io ny fiandoan’ny volana martsa 2024. Noraisina omaly 26 aogositra 2024 ny fanendrena an-dRamatoa Harilala Ramanantsoa ho PDS vaovao. Mandray ny asany avy hatrany ity farany raha ny fanamarihana. Izany fanapahan-kevitra izany dia noraisina taorian'ny fametraham-pialan'ny Filohan'ny Delegasiona Manokana teo aloha Richard Ramanambitana izay tojo tsy fahasalamana, hoy ny vaovao ofisialy. Mpandraharaha ary mpikarakara hetsika sy foara ara-toekerana no isan’ny hahalalana an’i Harilala Ramanantsoa, ary efa kandida ben’ny tanàna teto Antananarivo. Marihina fa efa volana vitsy no tsy popoka ny PDS teo aloha. Omaly, mbola niezaka nivoy anefa ireo mpiray fikambanana aminy anatin’ny IFI (Isika Fikambanana Miaraka amin’i Andry Rajoelina) izay tarihiny, ahitana an-dry Pasitera Nestor Razafindramanitra hita tamin’ny haino aman-jery omaly, fa manana ekipa matanjaka izy amin’ny fitantanana ny Kaominina, ary tsy nahitana olana intsony Antananarivo raha ny firesak’izy ireo. « Isaoranay ny fitondrana nanolotra ny PDS. Maro be ny ezaka fanohizana ny nataon’ny teo aloha. Betsaka ny ezaka : fako, karama voaloa ara-dalàna,… », hoy i Pasitera Nestor Razafindramanitra. Tena izany tokoa ve ny zava-mitranga eto Antananarivo sa mitohy ny fahapotehana : tanàna mikorontana, làlana tapitra potika, fako misavovona etsy sy eroa,…? Nisy ihany ny fanovana na fanapahan-kevitra noraisiny toy ny fanapahana ny fifanarahana hafahafa tamin’ny fanangonana volan’ny kaominina ka misy ifandraisany amin’ireny ve ny tsy fahitana azy ? Efa tombondahiny ho an’ny kandida ivelan’ny fitondrana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka ny zava-misy mahazo ny kaominina io, ary hatreto tsy tena mbola fantatra ofisialy izay ho kandidan’ny volomboasary. Milaza ny fikambanana tarihin’ny PDS teo aloha fa tsy mivadi-belirano amin’ny Filoha ary manaraka ny toromarika. Hiatrika ny fifidianana, ka izay kandida atolotry ny filoham-pirenena sy ny vovonana miaraka aminy, dia hotohanan’ny IFI, raha ny resaka omaly. Andrasana ny kandida ofisialy fa hatreto aloha izany dia tsy ho kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo i Richard Ramanambitana izay sady niala tsy ho PDS. Dia samy miandry izany hoe : ho iza ? Rtoa Harilala Ramanantsoa ve izany no ho kandidam-panjakana eto an-dRenivohitra? Ity farany izay tsiahivina rahateo fa efa kandida teto Antananarivo tamin’ny 2015 ka ny ampitso no hamaritra na hanao ny fampandehanan-draharaha mandra-pihavitan’ny fifidianana na ho mpifaninana haka an’Antananarivo ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT