Niakatra indray ny aingam-panahy

« Hasiana tahaka ny Miami Toamasina eto Antananarivo »


  • Zoma 15 Novambra 2024

efa voatokana ny Miami, ka miteny ny eto Antananarivo hoe : tsy mba manana Miami,

tsy mba manana jet d’au, tsy mba manana toerana fitsangatsanganana, ka misy laka eo Ivato 282ha izay tena ngezabe, ka amboarana toerana fitsangatsanganana miala eny amin’ny « parc des oiseux » hatreny Ivato hasiana toerana hahafahana mitsangatsangana sy mipetrapetraka, ahafana manao fanatanjahantena », hoy i Andry Rajoelina omaly. Tsy vitan’izay fa mbola hasiana « bus électrique » mandeha amin’iny toerana rehetra iny, raha ny filazan’ity farany, ary nifoha ihany koa ny resaka fananganana « village artisanale » misokatra mandra-pandehan’ny fiaramanidina, mandra-pahalin’ny alina ahafahan’ny olona mampidi-bola. Nolazaina fa hatolotra ny vahoakan’Antananarivo izany tetikasa izany afaka herinandro vitsy satria tsy misy toeram-pialam-boly. Hafa mihitsy ny fomba fijery sy fiatrehan’Atoa Andry Rajoelina sy ny fitondrany ny olam-bahoaka ka asa hoe : toeram-pialam-boly tokoa ve no zavatra ilain’ny vahoaka amin’izao sa vahaolana maharitra manoloana ny delestazy, tsy fahampian-drano, tsy fananan’asa, fidangan’ny vidim-piainanana,… ? Sanatria toa miezaka mitady zavatra sy resaka hanodinkodinana sy hampanantenaina ny vahoaka eo anatrehan’ny krizy lalina misy ankehitriny. Betsaka ireo zavatra nolazaina hatramin’izay, saingy tsy hita izay tena tanteraka, ary hafahafa ny fiatrehana olana raha tsy hampahatsiahy fotsiny an’ilay hoe : niakatra ny vidin-tsolika ny jolay 2022, dia ny fanafarana bus 1000 ho an’Antananarivo no vahaolan’ny Fitondrana fa 2 taona aty aoriana tsy misy na kodiarana bus iray aza tonga kanefa faran’ny taona no nolazaina. Ny « train urbain » efa hatrany amin’ny 2012 fa aty amin’ny 2024 toa mbola tsy mety tena vanona ka asa hoe : hanodinana izany ve no nampiakarana ireo lohamasinina brôkantera avy tany Fianarantsoa ho eto Antananarivo sa antony hafa mihitsy ? Ny Fly Over, efa ny jona 2022 no nolazaina fa hanomboka afaka andro vitsy fa mandrak’ity ny androany mbola tsy misy na inona na inona. Dia io indray fa akaiky fifidianana ben’ny tanàna, ka nambara omaly, fa simba ny làlana eto Antananarivo, ka hojerena avokoa, tsy hasiana lavaka. Nilaza i Andry Rajoelina, fa miasa sy mandroso, ka asa hoe : fandrosoana inona no tsapan’ny Malagasy ankehitriny ? Izao tokoa ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT