Manao ho zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka i Neny Lalao Ravalomanana. Tato anatin’ny herinandro izao dia nanome tanana ireo kandida depioten’ny ankolafy Ravalomanana ny tenany, ary niara-nitety Kaominina nanotrona ireny kandida ireny sady manao fampielezan-kevitra fampandaniana ny kandida filoham-pirenena, Dr Robinson Jean Louis.
Ny faran’ny herinandro teo fotsiny dia toerana niisa 13 tao Matsiatra Ambony sy Ihorombe iny no noteteziny, niaraka tamin’ny minisitry ny fambolena Ravatomanga Rolland. Hatrany hatrany i Neny dia manentana ny olona hifidy an'ny kandida Dr Robinson sy ny Depiote izay tohanany ary ity farany no hametraka azy ho Praiminisitra ary manainga hatrany ny hambom-pon’ny tsirairay izy mba tena handeha hifidy satria ho izao no ahafahana maneho ny tolona natao hatramin'izay mba handresy isika sy hamoaka an'ny firenentsika ao anaty lavaka mangitsokitsoka. Aza mitsahatra mivavaka fa ny vavaka no mampiova zavatra, hoy i Neny. Minoa fotsiny ihany, fa tsy maintsy tafaverina i Dada. Rehefa Praiminisitra aho, hoy i Neny dia hitsidika aty aminareo metika mba hiasa haingana hanasoa ny vahoaka. Ireo kandida depiote rehetra tamin’ireo Distrika notsidihina moa dia samy nanamafy ny hampandaniana ny dokotera Robinson Jean Louis, izay antoka hiverenan'i Dada an-tanindrazana ary koa sy hametraka an'i Neny ho Praiminisitra ary hitondra ny hetahetam-bahoaka toy ny tetikasa, lalana, lalàna sy ny sisa.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.