Hafana tanteraka ny fampielezan-kevitra ao Vakinankaratra amin’ity fihodinana faharoa ity raha ny fanomanana no jerena. Tsy an-kiato ny fivoriana sy fihaonana samihafa notarihin’i Neny tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity.
Raha ny zava-misy dia mametraka paikady hatrany ifotony i Neny ary hita mihitsy fa havanana amin’ny resaka fandrindrana ny tenany. Ny talata 26 novambra dia nandrindra ny tetika sy paika rehetra niaraka tamin’ireo kandidà solombavambahoaka rehetra ao Vakinankaratra ny tenany mba hampahomby ny fampandresena ny kandidà rehetra miaraka amin’ny filoham-pirenena izany. Ny Alarobia indray dia mpitondra fivavahana marobe izay vonona ny hanohana ny kandidà Dr Robinson no nitafa sy nifandinika taminy. Nambaran’ireto ray aman-dreny ara-pinoana ireto nivantana fa maika ny hamaranana izao tetezamita tsy nitondra soa ho an’ny vahoakoa izao izy ireo. Omaly alakamisy dia ireo olobe sy mpandraharaha ao Antsirabe indray no nifampidinika taminy ka nanomezan’izy ireo toky fa hampandany ny kandidà tohan’i Dada sy Neny izy ireo ary koa hanohana ireo solombavambahoaka miaraka amin’ny ankolafy Ravalomanana. Isaky ny fihaonana moa dia miditra mivantana an-telefaonina hatrany ny filoha Ravalomanana mitondra fanazavana sy manome toromarika sy ny tsara ho fantatra rehetra. Anio dia fotoam-bavaka ao amin’ny foiben-toeran’ny ankolafy Ravalomanana no hanombohana ny fampielezan-kevitra ka aorian’izay vao hisy ny fitetezam-paritra maro samihafa.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.