Natao mihitsy izay tsy nilatsahako

tamin’ny anaran’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM,


  • Alatsinainy 09 Desambra 2024

hoy ny ben’ny tanàna teo aloha sady mbola kandida ho ben’ny tanàna ao Ambohitrimanjaka, Ihajason

 Randriamanalintsoa na Zazà, tamin’ny alalan’ny depioten’i Madagasikara voafidy taty Ambohidratrimo izay nikarakara izany dosie izany. Izy moa no tomponandraikitra voalohany amin’ireo kaominina miisa 24 ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, hoy izy. Ny tany amin’ny foibe tsy nahalala hoe tsy nilatsaka intsony aho. Nosoniavina tan-jambany tany fotsiny izany ilay «mandat» na alalana ho an’ireo kandida narotsaka tamin’ny anaran’ny antoko. Nanaraka tsara ny toromarika izahay fa lesoka tao anaty antoko kosa ny akamakama sy ny kiantranoantrano. Ny tena nampalahelo dia olona tena mpanenjika ny TIM no nalatsaka fa tsy TIM akory. Amin’ny vanim-potoana tahaka izao nefa moa dia voninahitra, laza na tsy hay intsony no mety nanosika azy hisisika hilatsaka tamin’ny anaran’ilay antoko. Natanjaka foana moa ny TIM teto Ambohitrimanjaka nefa tsy fantany fa tsy tanindrazan’ny depiote Ambohitrimanjaka na tanindrazana vahiny tahaka azy. Nanandratra sy tsy nivadika tamin’izany antoko TIM izany hatramin’izay ny kandidà Zazà. Fantatry ny filoha Marc Ravalomanana izany. Tsy nitsanga-menatra tamin’ny fitantanana an’Ambohitrimanjaka mihitsy izahay na dia teo aza ny tsy fahazahoana famatsiam-bola tamin’ny fitondràm-panjakàna izany. Tena nasehonay izany hoe fahaiza-manao, fahaiza-mitantana, fahaiza-mijery ny fomba itantanana sy hampandrosoana ny kaominin’Ambohitrimanjaka izany tamin’ny alalan’ny loharanom-bolany madiodio sy ny fampidiran-ketrany. Voalohany tamin’ny fampidiran-ketra tamin’ireo kaominina miisa 24 ato anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo i Ambohitrimanjaka. Tsy an’ny birao politika na ny mpikambana teto Ambohitrimanjaka nefa moa ny fahotàna mahafaty raha nisy ny firaisana tsikombakomba nataon’ny depioten’Ambohidratrimo sy ilay nomena ny anaran’ny TIM hilatsahana ho ben’ny tanàna eto Ambohitrimanjaka. Miisa 5 izahay no tratran’izany tato Ambohidratrimo na dia tsy niala tamin’ny TIM aza dia ben’ny tanàna teo aloha tao Ivato, Ambatolampy tsimahafotsy, Talatamaty, Mahereza, Ambohitrimanjaka. Fanahiniana nosimbain’ny fitiavan-tenan’olon-tokana ny TIM angamba no azo ilazàna azy, hoy hatrany ity kandidà ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT