Politique

Narson Rafidimanana “Inona no hananantsika ny HCC ?”


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Nametraka fitsipaham-pitokisana izahay na “motion de censure”, hoy ny depiote Narson Rafidimanana,

satria nahita zavatra tsy mety sy tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Maromaro izahay ankehitriny no nifidy hametraka tolo-dalàna mba tsy hiverenan’ny fanaovana tsinontsinona ny fanapahan-kevitray toy ireny intsony, hoy izy. Na tsy ho depiote intsony aza izahay afaka 10 sy 20 taona dia fanajana lalàna tompoko no nanaovanay izao fa tsy fanakanana olona akory. Nametraka “motion de censure” ny solombavambahoaka miisa 105 dia taratasy kely fotsiny ve no nitenenana hoe tsy mety io? Matoa nanao sonia ny depiote miisa 105 dia misy antony. Tsy azo sintomina intsony iny sonia iny. Dingana na “procédure” tokony hifanaraka amin’izay no tokony narahana. Na mandeha ny latsa-bato na hoe inona no antony nahatonga izany? Sao dia misy fitsabahana amin-javatra hafa? Inona no hananantsika ny HCC raha tsy hijery izany zavatra izany? Tsy fanesorana olona no tadiavinay fa fanajana dingana misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Afaka 10 taona hisy solombavambahoaka hanao fitsipaham-pitokisana dia ho atao toy izany koa ve? Manao lalàna izahay dia manaja lalàna koa. Manaja ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy rafitra misy eto amin’ny firenena koa izahay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT