Politique

Nanome toky ny CENI Hatao fitsirihana ny lisi-pifidianana navaozina


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Hisy ny fitsirihana ara-kajy mirindra na “audit informatique” ny antontan’isa nanaovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana iarahana amin’ny OIF na ny Vaomieran’ny tany miteny Frantsay,

araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI na Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana Atoa Dama Andrianarisedo omaly, nandritra ny fidinana ifotony tetsy Ambohimanarina nanaovana fanentanana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Mba hisian’ny fifampatokisana no nambara fa antony satria ny fanontaniana mipetraka dia hoe: azo antoka ve io lisitra io? Manomboka ny 20 martsa ny OIF no ho tonga eto, ka ho fantatra mialohan’ny 23 martsa ny vokatry ny fitsirihana, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI hatrany. Nilaza ihany koa ny CENI fa hisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra iarahany amin’ny mpisehatra ara-pifidianana, handraisan’ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ireo avy amin’ny haino vaky jery ary ireo vondrona sy rafi-piarahamonina samihafa anjara. Mba hananana zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara no nambara fa tanjona. Hatao eto Antananarivo ny 24 martsa 2023 izao izany, ka iantsoan’ny CENI ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, handray anjara amin’ny dinika hifanakalozan-kevitra. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny ahiahy amin’ny tetibolan’ny fifidianana eo anatrehan’ny filazan’ny Vondrona Eoropeanina fa tsy mbola nisy ny fangatahana nataon’ny governemanta,… dia nilaza ny Filohan’ny CENI fa tsy misy manampanahy ny ara-bola. Efa miroso tsara, hoy izy, ny fifampidinihana eo amin’ny CENI sy ny governemanta amin’ny lafiny tetibola, ka tsy misy mampanahy ny mikasika izay. Momba ny raharaha politika eo anatrehan’ny efa endrika propagandy, anjaran’ny rehetra no mahita hoe: efa misy propagandy ve amin’izao sa tsia ka izany indrindra no isan’ny ilàna fifanakalozan-kevitra, hoy ny Filohan’ny CENI. Mahakasika ny lisi-pifidianana, 13 tapitrisa ny tanjona, 10 tapitrisa mahery eo izy amin’izao, ka andrasana na ho tratra na tsia, fa mbola manana hatramin’ny 31 ma ny olom-pirenena hisoratana anarana. Isan’ny olana ny fahadisoan-kevitra hoe: efa tao anaty lisitra teo aloha, kanefa tsy manan-kery intsony iny, fa tsy maintsy manao fisoratana anarana vaovao, hoy hatrany ny CENI.
Legende : Atoa Dama Andrianarisedo, filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT