Kandida depiote 10 mahery nanao fanambarana tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny biraon’ny Antenimieran’ny Varotra Toliara ny harivan’ny sabotsy 21 desambra teo no nilaza fa hitory any amin’ny CED Toliara ary mitaky hanaovana fampitahana ny isam-bato voarakitra amin’ny fitanana an-tsoratra any amin’ny CENI-T noho ny fisian’ny hala-bato manara-penitra nitranga ny 20 desambra lasa teo, izay manome vahana ny kandidàm-panjakana. Betsaka, hoy i Pr Napetoke Marcel ireo mpifidy notambazana vola teo imason’ny mpanara-maso iraisam-pirenena, ka karatra hosoka sy biletà tokana tsy mbola niasa sy vita dika mitovy ary voaisy marika mialoha nomena narotsak’izy ireo, ka nanamora ny hala-bato. «Nisy mpiasan’ny CENI-T nizara vola sy nanao fampielezan-kevitra nanohana kandidàm-panjakana noho ny tahotry ny tsindry avy amin’ny FAT», hoy hatrany ny fanazavan’ingahy Napetoke Marcel. Sahy nijoro vavolombelona tamin’ity hala-bato mamohetra ity, ingahy Roberval, mafana fo avy ao amin’ny Toliara Mijoro.
«Tsy hanaiky izao hala-bato izao izahay ary mitaky ny hamerenana io fifidianana maloto tsy nisy mangaraharaha io, satria ny CENI-T dia nanamora ny fangalara-bato, tsy manaja ny safidim-bahoaka», hoy ny kandidà depiote Behaja, avy amin’ny Hiaraka Isika. Nahitsy fiteny kosa i Pr Elimberaza Mandridake, fa «saribakoly ireo mpanara-maso satria nanaiky ny kitoatoan’ny FAT mpangalatra tamin’ny fividianana ny safidim-bahoaka teo imason’izy ireo». Tsy mila ady izahay, hoy ity kandidà manam-pahaizana manonkana momba ny fifandraisan-davitra sy ny radara ity, fa mitaky fifidianana madio sy mangarahara.
Mitongilana
«Raha miziriziry ny CENI-T matahotra ramatahoran’ny fanjakana dia hotsarain’ny tantara eo, satria ny CENI-T izany no mamboly korontana sy krizy vaovao indray eto amin’ny firenena manaiky tamin’ny fanaparitahana ireo biletà tokana tsy mbola niasa sy vita dika mitovy ary voaisy marika mialoha narotsaka. Na ho vy na ho vato, tsy hanaiky hatramin’ny farany ny nanodinana ny safidiny ny vahoaka tsy matahotra kolikolim-pifidianana», hoy hatrany ny fanambarana. Noraisin’izy ireo porofo tamin’izany ny fisian’ny lisi-pifidianana tsizarizary efa vita sonia sy kara-pifidianana hosoka maro nentina nifidy tamina faritra maro, toy ny tranga tao Betania Tanambao, tao Mahavatse, Sanfily, sy ny tany amin’ny Kaominina Ankililoaka sy Belalanda, Distrikan’i Toliara II. Nisy mihitsy moa olona nosamborin’ny mpitandro filaminana natao fanadihadiana. Nanaitra ny maro fa tonga nanotrona ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity ihany koa na somary tara aza ny kandidà depiote mitarika laharana voalohany amin’ny fahazoana vato be indrindra izay nilaza fa lasibatra ihany koa hono ny tenany. Somary niteraka savorovoro ny fahatongavany, satria noheverina ho mpitsikilo.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.