Politique

Nanitrikirika ny Minisitra Lalatiana “Tsy mieritreritra tetezamita izany ny Fitondrana”


  • Alarobia 10 Mey 2023

Nanitrikitrika ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, fa tsy anatin’ny eritreritry ny Fanjakana ny hanangana tetezamita anatin’ny 6 volana,

ary tsy misy lalàna manamarina ny fametrahana izany. « Ny fitondrana sy ny governemanta ankehitriny dia tsy manana eritretreritra ary tsy ao anatin’ny fanomanana resaka tetezamita. Tsy marina ny filazana fa hisy tetezamita hotarihina Filoha teo aloha sy ny filazana fa efa neken’ny Filoha Repoblika sy ny filoha tany aloha ny hanaovana izany tetezamita izany. Fikarakarana fifidianana no ao anatin’ny fandaharam-potoana lehiben’ny governemanta raha amin’ny politika”, hoy io Minisitra io. Naneo fa ny vahoaka no maso-mandidy izay hitondra azy anatin’ny 5 taona, manomboka ny janoary 2023. Na izany aza, efa nisy fotoana nilaza Atoa Paraina Auguste, Ambasadaoro teo aloha ary kandida amin’ny fifidianana Filoha, fa «tsy ny fanoherana no mangataka an’izany tetezamita izany, fa ny Filoha mihitsy no mangataka 2 taona tamin’ny SADC tonga teto fa hoe : mbola tsy vonona ». Tsara ny manamarika fa nisy ny fanambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Isabelle Delattre izay nilaza afak’omaly, fa tsy manery ny hisian’ny tetezamita, saingy tsy mametraka olana sy manohana izany raha izay no ifanarahan’ny herivelona rehetra, ka karazan’ny setrin’izany ihany ity nataon’ny Minisitra ity. Mitovy dia ny demokrasia no tanjona, ka ny Fanjakana dia fifidianana no himasoany, raha ny nambarany. Naneho fa ny krizy ankehitriny dia krizy ara-toekarena, mahazo ny firenen-drehetra maneran-tany, ny fidangan’ny vidim-piainana dia tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany. Tsy tokony hafangaro, hoy izy, ny krizy ara-tsosialy sy toekarena sy ny krizy politika hanamarinana ny hoe: hananganana tetezamita. Namaly ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina manoloana ny hoe: tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo politika sy sivily nosoniavin’I Madagasikara ny taona 1971 ny fandrarana ny famoriam-bahoaka ara-politika ankalamanjana. “Ny andininy faha-19 anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena io mikasika ny fetra azo atao dia ny fanajana ny zon’ny hafa, ny fanajana ny filaminam-bahoaka,… Faritan’ny lalàna ny “restriction” na famerana ka ny làlanantsika 60-082 dia mamaritra an’izay, hoy ny valin-kafatr’ity minisitra ity. Mila fahazoan-dàlan’ny governemanta, ary afaka manda. Zon’ny tsirairay ny maneho hevitra fa tsy maintsy manaraka ny lalàna velona, hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT