Politique

Naneho ny heviny ny AREMA « Be loatra izay 20 taona namotehana ny firenena izay »


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Naneho ny heviny mikasika ny toe-javatra eo amin’ny firenena ny Sekretera nasionalin’ny antoko Arema, Annick Ratsiraka, ka nilazany fa « nopotehina ireo fotodrafitr’asa izay napetraky ny fitondran’ny Amiraly Ratsiraka ».

Nisy ihany koa ireo namidy sy nosimbaina ». Ny fahitana ireny rehetra ireny, hoy izy, no « manosika ny Arema hijoro sy handray anjara amin’ny fifidianana ho avy manomboka any amin’ny filoham-pirenena ka hatrany amin’ny filoham-pokontany ». Aleo hoy hatrany i Annick Ratsiraka “harenina amin’izay ny firenena fa betsaka loatra ny 20 taona nanimbana azy”. Nandritra ny fambolen-kazo fanaon’ny antoko isan-taoana, isaky ny sabotsy aorian’ny tsingerintaonan’i Céline Ratsiraka, vady navelan’ny Amiraly, teny amin’ny Kaominina Tsiafahy distrika Atsimondrano, ny 04 febroary teo, no nilazany izany nanoloana ireo mpikaroka izay tonga maro tamin’io fotoana io. Notsipihin’ny Sekretera nasionalin’ny Arema fa tsangan-kevitry ny antoko ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitandroana ny soatoavina repoblikana ka mbola tohizana ary ampitaina amin’ireo mpikatroka ankehitriny. Manomana hetsika goavana ao Antsahamanitra hankalazana ny faha-47 taonan’ny antoko ny Arema ny 19 martsa ho azy izao.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT