Nandresy IRMAR na tsy nanao propagandy aza

Atao izay hamotehana an’i Djavojozara Jean Luc…


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF ao anatin’ny Faritanin’Antsiranana

ny alatsinainy lasa teo ny voka-pifidianana ofisialy any amin’io Faritany io. Nisongadina tao anatin’izany ny fanamafisana ny fahalanian’Atoa Dzavojozara Jean Luc ho ben’ny tanàna indray ao anatin’ny Kaominina Antsiranana I. Salan’isa 65,71% no nibatan’ity ben’ny tanàna ity ny fandresena, ka lany hitantana ny kaominina Antsiranana I ny tenany, raha tsy misy ny sakantsakana. Nahazo mpanolontsaina 9 ny lisitra tarihin’ity ben’ny tanàna ity, 3 avy amin’ny amin’ny IRMAR, ary iray avy amin’ny tsy miankina hafa. Ho an’ny Faritanin’Antsiranana manontolo izay misy kaominina 152, dia lasan’ny IRMAR avoka ny 84, saingy niavaka hatrany ny tao Antsiranana I satria tsy arakaraka ny antsojay sy fanenjehana ny ben’ny tanàna Djavojozara Jean Luc, fa tena noporofoin’ny vahoaka fa ity farany no sitrak’izy ireo noho ny fahatsapana fandrosoana sy fahombiazam-pitantanana. Raha hiverenana mantsy, tratry ny fanenjehana marolafy ity ben’ny tanàna ity, efa nialohan’ny fifidianana solombavambahoaka. Nandrotsaka ny antontan-taratasy firotsohan-kofidiana indray rehefa nandeha ny fifidianana ben’ny tanàna. Namoahana didim-pitsarana manameloka azy 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar tany amin’ny volana septambra 2024. Notondroina ho nanao fanodinkodinam-bola, raharaha efa tany amin'ny taona 2017, ka nohenjehina ara-pitsarana niaraka tamin’ny olona 3 hafa, tao anatin’ny zotram-pifidianana. Mbola afaka nanao fampiakarana na « appel » mikasika ity raharaha ity ny tenany. Tsy afaka nanao propagandy an-kahalalahana na azo lazaina ho tsy nanao propagandy mihitsy aza. Anisan’ny olom-boafidy tena ankasitrahan’ny vahoakan’Antsiranana I anefa ity ben’ny tanàna ity na teo aza ny sakantsakana sy antsojay samihafa hatramin’izay. Hatramin’ny olom-boafidy volomboasary no niditra an-tsehatra nihetraketraka an’ity olom-boafidy, ankoatra ny fampiasana ireo rafitra samihafa. Mbola fanontaniana mipetraka mandrak’androany noho izany ny hoe : ho afaka hiasa ankahalalahana amin’ny maha ben’ny tanàna azy ve ity olom-boafidy isan’ny tiam-bahoaka indrindra eto Madagasikara ity ary hany tokana nandresy ny IRMAR tamin’ireo renivohi-paritany 6 raha raisina amin’ny vokatra ofisiany rehetra hatreto? Hohorohoroina sy hogadraina ary hopotehina hatramin’ny farany mba hametrahana PDS IRMAR? Hohitsahina an-kitsirano noho ny kajikajy politika ny safidim-bahoaka ? Hanao ahoana ny fihetsiky ny vahoakan’Antsiranana I ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT