Politique

Nandetika mafy an-dRajoelina ny DINIKE “Tsy tokony hiadian-kevitra ny fampiharan-dàlana”


  • Zoma 23 Jona 2023

Tandindonin-doza ny Firenena noho Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina mizaka zom-pirenena vahiny izay mandika ny andininy faha-45 sy 46 voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana ary ny andininy faha-42

ao amin’ny Fehezan- dalàna momba ny zom-pirenena Malagasy", hoy ny vovonana politika DINIKE (Dina Iombonan-Kevitra), taorian'ny fivoriany ny alarobia 21 jona. Iaraha-mahalala, hoy izy ireo, fa mifamatotra eo anatrehan’ny lalàna ny Filohampirenena sy ireo Andrim-panjakana mijoro tarihin’ny olona notendreny ao amin’ny Governemanta, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny Antemieran-doholona ary ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI), eo anatrehan’ny lalàna velona. Notsiahivin'ny DINIKE ny andininy faha-48 ny Lalàmpanorenana dia misy ny hoe : « Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-panjakana, hikatsaka hatrany ny soa ho an'ny Vahoaka malagasy tsy ankanavaka » ataon'ny Filoha lany. Ao anatin’ny tany tan-dalàna, ny lalàna iray dia mihatra tsy misy fepetra, raha hisy aza amin’ny fotoana aty aoriana fanovàna na toko, na andininy, na ny lalàna iray manontolo dia tsy afaka hanova n’inon’inona tsy hampanan-kery ny fampiharana azy an-tsakany sy an-davany izany, satria ny fanamboarana atao aty aoriana dia tsy misy fiantraikany mihemotra (Non rétroactivité de la loi), hoy ny fanazavana. Ny tsy filazana tamin’ny HCC ny fizakana zom-pirenena vahiny dia hosoka sy famitahana ny vahoaka Malagasy tamin’ny filatsahana ho fidiana ho filohampirenena tamin’ny taona 2018. Noho izany, ilay andininy faha-42 voalaza etsy ambony, dia mihatra tanteraka tsy iadian-kevitra amin’Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina, hoy izy ireo. Manitsakitsaka ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana ary ny fifampatokisana raha tsy mandray andraikitra ireo andrim-panjakana mahefa. Noho ireo antony ireo dia tsy azo itokisana intsony hiantoka ny maha masimandidy ny Firenena eto Madagasikara araka ny Lalàmpanorenana ny Filohampirenena amperin’asa. Miantso ny FFKM handray andraikitra, miaraka amin’ny Foloalindahy, mba hiahy sy hitarika ny fifandaminana ara-politikan’ny hery velona rehetra hitadiavana vahaolana amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena izao, mba hizorana mankany amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana ny Repoblika noho izany ny DINIKE, araka ny fanambarana nosoniavin'ny Filoha Lefitr'izy ireo misahana ny politika Atoa Constant Raveloson sy ny Filoha lefitra misaha ny iraisam-pirenena Atoa Lova Fanantenana Ralambomahay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT