Politique

Nandalo tao La Réunion i Sarkozy : Nilanja sorabaventy ny GTT


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Tsy eto an-tanindrazana ihany no ahitana fihetsiketsehana fanoherana ny FAT sy ny fampahafantarana ny fitakian’ny Malagasy. Nandritra ny fitsidihana nataon’ny filoha frantsay Nicolas Sarkozy tao La réunion dia nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo Malagasy sy réunionnais ho fampahafantarana ny krizy aty Madagasikara.

 

Ny GTT Réunion sy ny Collectif pour Madagasikara no tompomarika tamin’ity hetsika ity, izay nanelingelina ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Vokany, hatrany La Réunion ny famoretana ataon’ireo miaramila. Lakrimozena no nanaparitahan’ireo mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsy nampihemotra ireo mpitolona anefa izany. Tamin’ireo sora-baventy nolanjain’ireo mpanao fihetsiketsehana manko dia nazava sy nahitsy ny hafatra. Anisan’izany ny namakian’ny GTT bantsilana fa manohana an’i TGV i Frantsa. Nivily lalana anefa ny demokrasia rehefa tonga teo amin’ny fanjakana ny TGV, teo koa ny resaka frantsafrika. Nangataka fihaonana tamin’ny filoha frantsay moa ny GTT Réunion saingy tsy noraisin’Ingahy Sarkozy izy ireo noho ny hafenoan’ny fandaharam-potoanany.
                                                                                                                                            
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT