Politique

Nanao izay mety ny fitondrana Ataovy mangarahara ny kaonty…


  • Zoma 12 Jolay 2019

Nanao izay nety ny rehetra, ary nanao ezaka lehibe ny fitondrana Rajoelina na tamin’ny fanomanana na ny fikarakarana fa iny aloha ny vokatra. Isan-karazany, isan-tsokajiny,

 

niainga tamina olon-tsotra, fianakaviana, fikambanana, orinasa, vondron’orinasa ny fanampiana sy fanohanana ny ekipam-pirenena. Fotoana nisinisy ihany ireo mpitondra fanjakana no tany Egipta niara-dalana tamin’ny Barea. Zava-dehibe sy mendri-piderana ny ezaka fanohanana ny ekipam-pirenena, ary mila tohizana. Na izany aza, dia rariny sy hitsiny kosa angamba raha mba atao mazava ny kaonty. Ny saran-dalan’ny fiaramanidina izao iza avy marina no tonga tany Egipta ? Tamin’ny fomba ahoana marina ? Re ihany mantsy ny fimenomenomana. Nisy vola namenoana ny banga ve tao sa ahoana ? Tahaka ny inona sy manakory marina ny fanampiana ho an’ny mpilalao, ny mpanazatra sy ny mpiara-miasa aminy sy ny fankasitrahana azy ireo tamin’ny ezaka goavana vita ? Inona no tena asan’ny “Comité de normalisation tao anatin’iny CAN 2019 iny ? Naharitra tany Egypta ny minisitry ny fanatanjahantena, inoana fa tsy nandamina ny momba ny Barea satria efa am-pelatanan’ny CAF ny momba izany ho an’ny ekipa tsirairay. Nandrindra ny fahatongavan’ny Malagasy mpanohana ve sa inona marina ? Nanambara sy nilaza matetika ny filoha Rajoelina fa mangarahara ny fitantanana ny firenena sy ny asan’ny fitondram-panjakana, ka andrasana izany ny momba iny CAN nandraisan’ny Barea anjara iny. Mila tohizana kosa ny fientanam-pirenena lehibe naterany.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT