Nanao ampamoaka ny Filohan’ny “Sénat”

Norahonana ho faty mba hamotsotra ny fahefana


  • Talata 10 Oktobra 2023

Efa nambarako ombieny ombieny fa efa nivonona tanteraka aho an-taonany maro ny handray izany toerana

Filoham-panjakana mpisolo toerana izany, kanefa noho ny antony tsy miankina amiko mihitsy, dia izao ny zavatra mitranga aloha, fa izaho tsy miamboho adidy izany”, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa afak’omaly, ankoatra ny fanamelohany ny herisetra sy ny tokony hanajana an-tsakany sy andavany ny lalàna sy lalàmpanorenana, ary ny zo fototra. Nilaza tetsy ankilany ireo loholona IRD 14 nosolon’Atoa Tsiebo Mahaleo, Ndremanjary Jean André, Ramanambitana Richard fa tena tsy nierana tamin’ny Birao maharitra iny, ka tsy miara-dalana amin’ny fampiasana ny anaran’ny andrim-panjakana amin’iny fanehoan-kevitra iny. Amin’ny anarany samirery no nanaovany an’iny. Nanitrikitrika fa ny Filohan’ny Antenimierandoholona tenany no nanasonia ny taratasy milaza ny fandavany ny fitantanany ny Fanjakana, ary nohamafisiny teo anoloan’ny loholona rehetra tamin’ny fanambarana ny 13 septambra. Tsy nisy nilazany na iray aza fa noterena sy norahonana izy nanao ny taratasy tany amin’ny lalàmpanorenana, hoy ireto farany. Niteny tamin’ny anarany manokana ny Filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy amin’ny anaran’ny birao maharitra izay adika fa ny olona mikorapaka amin’ilay zavatra noteneniny izany no mailo amin’izay nataony tany ambadika tany, ka any amin’ny tsy mivonto no manaintaina. Tsy nijanona teo, fa mbola nohamafisin’ny fampahalalam-baovaon’ny France 24 ny vaovao manazava kokoa iny zavatra nambarany iny, ka nilazany fa norahonana ho faty izy mba hampita ny fahefana. Iray volana katroka taorian’ny 08 septambra tokony ho nandraisany fahefana no nandeha ny ampamoaka, izany hoe: tena nokobonina, ary heverina fa efa nahazo antoka momba ny fiarovana ny ainy, vao nandrefotra an’ity afera goavana izay manaratsy endrika hatrany ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina sy ny governemanta napetrany ity. Raha raisina amin’iny fanambarana iny, tsy nisy ny "libre consentement" izany hoe: tsy tamin’ny nahim-pony madiodio ny tsy nandraisany ny fahefana araka ny voafaritry ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Noho izany, azo foanana avy hatrany io fahefana nalain'ny governemanta io, misy ny “effet rétroactif” amin’ny tranga tahaka anio, ary mazava izao fa tena “Coût d'Etat” izany no natao, ary niray tsikombakomba ny HCC, hoy ny mpahay lalàna. Hanongana an’Atoa Herimanana Razafimahefa ary ve izany ny loholona IRD izay vao mainka mety hampirefotra zavatra maro?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT