Nanao ampamoaka ny depiote

Tsy lany 100% izany ny PAN fa nisy hala-bato»


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Nahabe resaka teo amin’ny tontolo politika ny hoe : nahoana no nifidy 100% ny Filohan’ny Antenimierampirenena

na ny PAN Atoa Tokely Justin ny depiote lany tamin’ny Firaisankina. Misy amin’ireo solombavambahoaka avy amin’io vovonana io no nivoaka tamin’ny fahanginany omaly, nitondra fanazavana fa tsy marina ny hoe : nifidy 100% fa tena nisy hala-bato hatrany Tsimbazaza, raha ny fanazavany. « Ilay izy tsy 100% fa nisy nanao vato fotsy tao, ny Firaisankina nisy nanao vato fotsy izahay. Navela malalaka hoe : ity fiarahamonina ka aleo aloha ny amin’ny voalohany mba mifidy an’ity, saingy tsy 100%, tsy nifidy 100% ny Filohan’ny Antenimierampirenena, fa mbola hatrany ihany koa ilay hala-bato fa izay aloha ny zava-nisy izany. Izy ihany koa na nifidy izahay na tsia dia lany foana», hoy ny depiote Voahangy Raharimanarivo. Aleo, hoy izy, hazava fa tsy nifidy 100% izany ny Firaisankina. Mikasika ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra ao Tsimbazaza izay nomena ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko kosa, dia tsotra ny valiny fa Filoha mpiara-mitantana ny Firaisankina io depiote io. Marina fa ny Antoko TIM no nanolotra fa tamin’ny anaran’ny Firaisankina, ary izy sy ny Filoha Ravalomanana no Filoha mpiara-mitantana ny vovonana, ka izay no nanolorana azy io toerana io. Aoka tsy ho ampiadian’ny olona, ary toromarika avy amin’ny Filoha mpanorina ny TIM ihany koa io, ka manaja ny fitsipiky ny Antoko, hoy Rtoa Voahangy Raharimanarivo. Tsy nofidiana fa natolotry ny vondrona mpanohitra. Kaomisionina iray ihany koa amin’ny 33 misy moa no azon’ny mpanohitra, dia ny kaomisionin’ny fampianarana teknika. Ny depiote Hanitra Razafimanantsoa kosa no lany tamin’ny alalan’ny latsa-bato miafina ho Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM. Ara-politika, dia notaterin’ity Depiote ity ihany koa ny fahatafaverenan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, izay efa ry zareo ihany no nitsipaka azy, Kotozafy ihany no Leksisy, ka ho hitantsika eo fa misy làlana hitondran’Andriamanitra antsika foana fa mahareta kely aloha isika, hoy hatrany Rtoa Voahangy Raharimanarivo.
REHEFA TSY MAHAZO MANAO TATITRA, DIA MANOTRONA, MIVADIKA KABARY POLITIKA
Ankoatra izay, dia fandaharam-potoana voalohany teo anivon’ny Antenimierampirenena iny fivoriana nandaniana ny fitsipika anatiny sy ny Birao maharitra nahitana ny Filohan’ny Antenimierampirenana, ny Birao maharitra, ny Kaomisionina. Misy ny zavatra niova, ka isan’ny midongadina ny fahatahoran’ny Fanjakana eo anatrehan’ny hoe : mila manao tatitra ny depiote. Amin’ny maha depioten’i Madagasikara, dia afaka manao tatitra na aiza na aiza teo aloha, ka novana fa afaka manao tatitra fa amin’ireo olona nifidy azy. « Ny tena moa vitsy an’isa, ka izay no lany, kanefa na izany aza, raha hanao tatitra dia tsy afaka hanao tatitra raha tsy ao Atsimondrano fa tsy toy ny taloha hoe : hanao tatitra eny Analakely na eny amin’ny 13 mey. Raha hanao tatitra eny Analakely izany dia mandeha manao izany eny ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa izahay afaka manatrika, fa tsy tatitra no ataonay fa izy izany no manao tatitra fa izahay afaka manao kabary politika, ka izay ilay izy rehefa izay no tadiavin’izy ireo, dia vao mainka izany mety aminay », hoy ny Depiote Voahangy Raharimanarivo.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT