Nanangam-bovona ihany koa Ragôva

« Tsy misangy amin’ny fanakorontanana ny Fitondrana »


  • Talata 28 Janoary 2025

Mitohy ny karazana fandrahonana ataon’ireo olom-boatendry ao anatin’ny Fanjakana

manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Endrika toa maneho fa mahatsiaro ho tratry ny ambana ny mpitondra, ka miezaka mibetraka sy manao don-tandroka. "Tsy misangy amin’ny fanakorontanana ny fitondram-panjakana, efa sahirana ankehitriny ny vahoaka ka aleo asa no hatao", hoy ny Governoran’Analamanga sady Sekretera Nasionalin’ny TGV Atoa Hery Rasoamaromaka omaly. Nambarany fa tsy maintsy hiaran’ny lalàna izay olona manakorontana. Efa sahirana ny vahoaka ankehitriny, hoy izy, ka asa no andrasana amin’ireo izay nomena fahefana, ka nanamafisana fa tsy misangy amin’ny fanakorotanana araka izany ny fitondram-panjakana. Toa mbola mandranitra ny mpanohitra izay noresana tamin’ny fifidianana maloto Ragôva ka nilaza fa fomban’izay resy tamin’ny fifidianana no milaza fa nisy ny halabato, mandroso isika hoan’ny firenena. Misy ireo olona tsy mahazo toerana raha tsy amin’ny korontana, hoy hatrany i Hery Rasoamaromaka. Nolazaina fa mbola tsy manao "dictaure" mpitondra ankehitriny saingy hentitra kosa izy ireo. Afaka maneho ny heviny avokoa araka izany ny rehetra, hoy hatrany ny governoran’Analamanga. Tsara ny mampahatsiahy, fa nandritra ny fandraisana ireo governora teny Iavoloha no nilazan’ity governoran’Analamanga ity sy ireo namany, fa handray fepetra amin'ireo mitady hamboly korotana ny tompon'andraikitra isam-paritra, ka nilazana fa fampandrosoana no tokony hojerena fa tsy fanakorotana. Fa iza moa izany no manakorontana ny mpitondra ? Misy manakana azy tsy hahavaha ireo olana sosialy sy krizy ara-toekarena samihafa ve sa ilay mpitondra mihitsy no tsy misy zava-banona ? Fampandrosoana inona no mandeha amin’izao ? Inona ny fahasahiranana sy fahantrana tsy hita eto : delestazy, vidim-piainana midangana, tsy fananan’asa, tsy fandriampahalemana, tsy fangaraharahana ara-pitantanana, kolikoly,… Tsy mahavaha an’ireny ny mpitondra, fa zary mitondra Firenena amin’ny alalan’ny fandrahonana, ary manao ranolava ny karazana fanambarana sy fanehoan-kevitra vao mainka mandranitra vahoaka. Taorian’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard izay namoaka vava fa tsy maharesy miaramila ny vahoaka ary mbola naneso fa tsy mahantra i Madagasikara satria misy toham-boivoy izany, dia ny governoran’Analamanga indray no mandrahona fa tsy hisangy ny fitondrana. Tsara ny manamarika fa samy olom-boatendry itony miteny itony !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT