Nanamarika ny tantaram-pirenena ny MAFAMI

“Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana”


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Notontosaina tetsy amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny sabotsy teo ny hetsika Fiesta 2 izay

fihaonamben’ireo mpikamban’ny MAFAMI na Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray. Ho marika izao, hoy ny filohan’ny fikambanana, Manoa Laza Ratovomaherison, fa mbola velona sy miaina ny fikambanana na dia natoritory aza teo ary zava-dehibe ao anatiny koa ny famondronana sy fampiraisana hina ny mpikambana rehetra. Manao asa sosialy isan-karazany, hoy izy, ny fikambanana ary mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ny ray aman-dreny. Fifaneraserana, fifampizarana, fifankahafantarana eo amin’ireo mpianatra sy raiamandreny samy efa zanak’Antananarivo tao anatin’izay 45 taona niorenan’ny MAFAMI izay no tena zava-dehibe. Eo koa ny fifanoroana lalana na ny lafiny ara-kasa na fianarana eo amin’ireo mpikambana. Nanamarika ny tantaram-pirenena ny MAFAMI na tsy manao politika aza. Niorina teny amin’ny anjerimanontolo ny fikambanana ka manana anjara toerana lehibe ao ny ambaratonga ambony. Efa nanome sosokevitra foana izahay nanoloana ireo olan’ny oniversite. Nametraka foana izahay hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ny zavatra rehetra. Vonona hifanome tanana foana izahay amin’ny lafiny rehetra na ny mahakasika ny firenena na ny anjerimanontolo, hoy hatrany ny MAFAMI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT