Nanakiana mafy an-dry Jean Nirina ny depiote ROSSY

« Tandindonin-doza ny boriborintany faha 4 raha ireo no mahazo fahefana »


  • Alarobia 08 Mey 2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

hoy ny depiote Rossy raha naneho hevitra fohy omaly teny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza. Ny nanesorana ireo sefo fokontany 14 ao amin’ny boriborintany faha 4, hoy izy dia lazaina hoe ahiana tsy hitandro ny tsy fitanilana, izany ve dia mba zavatra mitombina ? Dia avy eo anefa nosoloina ka ry Sektambra ( Jean Nirina HAFARI ) mianakavy sy ny TMH no atao ao ; olona efa hita izao fa manana olana any amin’ny tribonaly sy manohana kandida, hoy ny depiote Rossy. Olona mibodo tanin’olona, efa « titré » sy « borné » no nalainy dia hoe nanaovany kianja . Izany ve no tendrena ho sefo fokontany hoy i Rossy . Ankoatr’izay nambaran’ny depiote Rossy hatrany fa trano efa nahazo taratasy fa hoe tsy maintsy arodana satria handalovan’ilay Flyover eo Anosizato no fenoina afisy sy banderole an’ilay kandida depiote dia manangam-bovono izy, izay io ataony io fa tsy misy idiran’ny depiote izany io hoy i Rossy. Dia izany olona izany ve no ataonao lehiben’ny fokontany ? Tandindonin-doza ny boriborintany faha 4 raha sanatrian’izany ka ireo no mahazo fahefana eo hoy ny depiote Rossy.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT