Politique

Nampitandrina mafy Ravalomanana Tandremo ny Birao fandatsaham-bato matoatoa !


  • Alatsinainy 17 Aprily 2023

Nanao ampamoaka amin’ny fisian’ny kajy maloto ara-pifidianana I Marc Ravalomanana nandritra ny Kongresim-paritry ny TIM tany Menabe,

natao tao Morondava ny sabotsy 15 aprily teo. Misy fikotrehana birao fandatsaham-bato matoatoa, ary misy olom-panjakana ambony mikotrika izany sy mitety faritra, raha ny nambarany, ary nanonona anarana mihitsy ity farany. Namoaka fampitandremana, fa tsy hitamatama sy tsy hatahotra manoloana manoloana ny teti-dratsy ara- pifidianana ny Antoko TIM fa tena hijoro. Takio fa tsy maintsy atao peta-drindrina eny amin’ny Fokontany ny lisitry ny mpifidy, hoy i Marc Ravalomanana izay nanitrikitrika fa mifanaraka amin’ny lalàna 2015/020 andininy faha-39 mikasika ny CENI izany dia ny tsy maintsy hamoahana ho fantatry ny rehetra ny lisitry ny mpifidy. Aza adino ny manamarina fa misy ny birao fandatsaham-bato satria misy dia misy tokoa birao fandatsaham-bato matoatoa na “bureau de vote fantôme” ary hosoka, izany hoe fa hoenti-mangalatra sy manova voka-pifidianana. “Misy ny tatitra azo fa ny governora any amin’ny Faritra Atsimo any ka anisany ny aty aminareo no anisan’ny manao famoronana birao fandatsaham-bato na fokontany tsy misy akory io”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Tena misy, hoy izy, ny tatitra fa misy ny governora any amin’ny faritra Atsimo manao izany, ka mitaky ny famoahana ny lisitry ny fokontany ny TIM. Nilaza mihitsy I Marc Ravalomanana, fa olona ao anatin’ny Fitondrana ihany no manome vaovao mari-pototra azy ireo. “Matoa aho miteny an’izany, ianareo governora tsy anaty lalàmpanorenana efa tsy ara-dalàna, ary mbola tsy ara-dalàna ny zavatra ataony. Matoa aho mahazo an’ity, dia avy ao aminareo no mamoaka sy nanome ahy an’ity, ka sao heverinareo fa olona tapenam-bava daholo ny olona miaraka aminareo”, hoy hatrany izy. Tsy maintsy harenina ny firenena ary aza raisina ho fahavalo ireny olona tsotra ireny, fa any an-tampony any no manaonao foana, hoy izy nanome toromarika ny olony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT