Nampitandrina I Rossy

“Atsaharo ny fikitikitihana sefom-pokontany tsy hisian’ny savorovoro…”


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Nanao fampanenoana lakolosy sy fialan-tsiny noho ny hamehana niantefa

tamin’ny Prefen’Antananarivo sy ny Filohan’ny delegasionina manokana, ary ny Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo faha-4 ny Depiote Rahasimanana na Rossy. Nampita ny tsy fanarahan-dalàna mibaribary sy mioampampana ataona tompon’andraikitra ao amin’ny firaisana faha efatra, mety hiteraka korontana ity depiote ity, ka niantso ireo tompon’andraikitra mahefa mba handray andraikitra mba ho fampitsaharana izany haingana. «Vorian’ny kandida ho solombavambahoaka roa ka rahonany ny sefo fokontany, ny « secrétaire » ary ny « tresoriers » amin’ny 32 fokontany fa izay tsy miditra manaraka azy ao amin ny fikambanan’izy ireo dia « abrogé » na miongana amin’ny herinandro ambony. Nanao famindram-pahefana tsy ara-dalàna tao amin ny firaisana fahaefatra ny « candidate » iray ka ny vadin’ny « première liste » no natao delegen’ny ben’ny boriborintany », hoy I Rossy. Nahitsy noho izany ity farany nilaza fa izany rehetra izany raha tsy atsahatra amin’izao akaiky fifidianana izao dia hinoana fa hiteraka korontana sy savorovoro fa tsy misy hanaiky izany moramora eto ary sanatria hanaraka izany ihany koa ireo boriboritany dimy hafa. Nomarihiny fa ireo olona rehetra ireo ihany no niasa tamin’ny fifidianana filoham pirenena ary tsy nisy nahazo na fitarainana na fitoriana fa nahazo « félicitations » aza fa nizotra nilamina sy tsy nisy rahoraho ny tao amin’ny Boriboritany fahaefatra. Nilaza io depiote io fa hotaterina any Amin ny HCC ihany koa izao toe javatra sy fitarainana izao ho fampahafantarana. Voatery nanao izany tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny WhatsApp io depiote io noho ny tsy fahazoana ny tsirairay tamin’ny antso an-taroby toy ny mahazatra azy, raha ny fanamarihany. “Aleo handeha amin’ny marina sy ara-dalàna fotsiny ary samia matahotra an’Andriamanitra”, hoy hatrany ny Depiote Rahasimanana Paul Bert izay mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana. Manamafy ny ahiahy amin’ny mety ho tsy fahadiovan’ny fifidianana ny tranga tahaka itony, ary heverina fa tsy tranga maningana, fa paikady politika hoenti-mampandresy kandidam-(panjakana). Maro rahateo ireo toerana nihazakazahana ny nanolo sefom-pokontany mialohan’ny fifidianana, ankoatra ireo tranga samihafa toy ny fanerena ny mpampianatra hanohana kandidam-(panjakana).
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT