Politique

Nampiaka-peo ny MMM “Tsy mendrika hanome lesona ny Praiminisitra”


  • Talata 08 Aogositra 2023

Miantso ireo rafi-pitsarana handray ny andraikiny manoloana ny fizakan’ny filoham-pirenena ny zom-pirenena frantsay ny antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM.

Eo ihany koa ny fijerena ireo antotan-taratasin’ireo maniry ho kandida. Tokony ho malina ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, hoy ny MMM, amin’izao zotram-pifidianana izao. Miandry ny rehetra amin’izao ny tohin’ilay fitoriana sy izay ho fanapahan-kevitry ny fitsarana manoloana ny fizakan’ny filoham-pirenena ny zom-pirenena vahiny, hoy izy ireo. Tsy tokony avela amin’izao ity raharaha ity. Tokony ho olona vonona sy vanona no afaka mirotsaka sy hitantana ny firenena. Antony tokony haha malina ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Andrasana arak’izany izay ho fanapahana horaisin’ireo fitsarana mahefa momba ity raharaha maha voasaringotra ny filoham-pirenena ity. Tsy ny praiminisitra mihitsy no hanome lesona ny antoko politika amin’ny fanajana ny fenitra sy ny rafitra demokratika eto Madagasikara, hoy hatrany ny MMM teny amin’ny foibe toerany teny Ankerana. Maro ny fanitsakitsahana lalàna nataon’ny fanjakana sy ny governemanta tarihiny raha tsy hijery afa-tsy ny tato anatin’izay 4 taona izay, hoy izy ireo. Namaly ny fanambarana nataon’ny praiminisitra Ntsay Christian tany Morondava ny 3 aogositra teo, izay niantso ny hanajana ny rafitra sy ny fenitra demokratika eto Madagasikara ny MMM. Diso raha ny lehiben’ny governemanta no hanome lesona momba izany, hoy izy ireo. Rafitra tokony hanara-maso sy handrindra ny serasera amin’ny haino aman-jery mandritra ny fotoam-pifidianana ny ANRCM ary tokony efa tany amin’ny fiandohan’ny septambra 2021 no najoro saingy nodian’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian adino na tsy norarahiana tsotra izao. Porofo iray ahitana izay tsy fanajana sy tsy fahazakan’ny praiminisitra sy ny governemanta tarihiny ny demokrasia izay ihany koa ny famerana ny famoriam-bahoaka. Ankoatra ireo, ny tsy nanatanterahana ny “face à face” na ny fihaonan’ny governemanta sy ny parlemantera nandritra ny fivoriana ara-potoana farany teo, izay taratry ny fanitsakitsahana lalàna ataon’izao fitondrana izao na eo aza ireo andinin-dalàna maro milaza ny tsy maintsy hanatanterahana izany saingy iny nitadiavana fomba sy hevi-petsy samihafa iny. Isan’ny taratra ahitana fa tsy tsara toerana ny praiminisitra raha hanome lesona amin’izay fanajana ny fenitra demokratika izay manoloana ny fampiasany sy ireo olona eo ambany fifehezany ireo mpitandro filaminana ho herim-pamoretana. Hanaovana ramatahora amin’ny antoko mpanohitra rehefa hanatanteraka fivoriana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT