Nampahantsiahy i Monja Roindefo

«Ny Jiny ihany no lasa antoko Monima ny taona 1958»


  • Alarobia 14 Mey 2025

Noho ny fankalazàna ny andro maneran-tany ny fandresena ny nazisma dia nampahatsiahy

ny tantara ny filohan’ny antoko politika Monima, Monja Roindefo. Zava-dehibe eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona io vanim-potoana io, hoy izy, satria dia fandresen’ny fahafahana, ny zo fototra sy ny demokrasia. Notsiahiviny tamin’izany ireo namoy ny ainy an-tapitrisany maro, mpiady mahery fo, izay nahitàna afrikanina sy malagasy. Rehefa vita moa ny ady dia tonga saina ireo malagasy hoe isika niady ho an’ny fahafahana ary nanavotra ny frantsay tamin’ny nazisma ka nahoana isika no tsy mendrika ny mba hiaina amin’izany? Teo indrindra no nitsangana i Monja Jaona, izay voaantso an’ady, namondrona ireo miaramila gasy avy niady ka nanangana ny Jiny, fikambanana miafina, hiady ho an’ny fahafahan’i Madagasikara. Ny vahoaka rahateo nitady mpitarika satria efa leon’ny jaly. Ny paikadin’ny MDRM moa dia ny fahaleovantena miaraka amin’ny mpanjanaka ka naleon’ny vahoaka nandray fitaovam-piadiana hitakiana ny tena fahaleovantena rehefa tsy niheritreritra ny hamotsotra an’i Madagasikara mihitsy ny fratsay. Vaky noho izany ny tolon’ny 29 martsa 1947. Marihina, hoy hatrany ny tenany, fa ny Jiny ihany no lasa antoko Monima ny taona 1958.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT