Politique

Namory ny OMC Nat ny Praiminisitra « Mila filaminana sy fitoniana isika


  • Zoma 23 Jona 2023

Namory ireo OMC Nat ahitana ny avy amin’ny Mpitandro filaminana, fitsarana, ary ny lafin-tany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta omaly.

Voalaza fa nahatratra 4 ora mahery ny dinika nifanaovana. Tanjona ny hisian’ny fitoniana indrindra amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao ahafahan’ny Malagasy manontolo hanao ny asa andavanandro tsy hokorontanin’ny fiainam-pirenena, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niantso ny Malagasy hankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny Fiombonana sy ny fitoniana. Firenena manana ny maha izy azy ka fotoana hanehoana izay fitiavana izay, hoy hatrany io Praiminisitra io izay nilaza fa tsy mahasoa ny fanakorontanana firenena. Nandinika sy namakafaka ny famerenana ny fandriampahalemana, ary niantso ny mpanao politika hanaja ny soatoavina. Nilaza ny Praiminisitra fa betsaka ny ady natao tamin’ny trafika, asan-dahalo,… Nisy noho izany ny fanapahan-kevitra maro noraisina mba hisian’ny fandriampahalemana na ambanivohitra na ambonivohitra. Henjana ny zava-misy na an-tsaha na an-tanàna amin’izao, ary tsy misy tsy mikolay. Mafampana ihany koa ny politika. Midika fa tsy tongatonga ho azy ny fivorian’ny OMC Nat omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT