Namaly ny CCOC ny mpitondra be mokon-doha

« Tokony hanabe ianareo fa tsy hanohitra be fahatany… »


  • Talata 28 Janoary 2025

Nitondra valy bontana ho an’ny Vondron’ny Fiarahamonim-pirenena izay nitondra tsikera

mivaivay mikasika ny tetikasa Lac Iarivo ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponena. "Tokony hanabe ny olona amin’ny fampandrosoana ianareo firaisamonim-pirenena fa tsy hanohitra be fahatany", hoy Atoa Gerard Andriamanohisoa nanome lesona. Voafehin’ny mpitondra ve ny antsoina hoe : OSC (Organisation des Sociétés Civiles) sa faly hanenjika sy hanadio tena fotsiny ? Raha hiverenana, nitaky mangarahara amin’ny vola mivoaka, ny antsipirian’ny fifanarahana ary ny loharanom-bola mikasika ny tetikasan’ny Filoham-pirenena « Lac Iarivo » ny Vondron'ny fiarahamonim-pirenena CCOC (Collectif Citoyens et des Organisations Citoyennes), araka ny fanambaran’izy ireo ny 21 janoary lasa teo. Tsy tao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na ny LFR 2024 sy ny tetibolam-panjakana 2025. « Tokony handray andraikitra ny depiote hijery hoe : aiza ho aiza tsara ny laharam-pahamehana sy ny vokatra azo tsapain-tànana ho an’ny tombotsoam-bahoaka 80% lazaina fa mahantra mikasika io tetikasa io. », hoy ny CCOC izay nanamarika fa tsy lasa antoko mpanohitra izy ireo fa mitaky mangarahara. Isan’ny notsikafonin’izy ireo ihany koa ny tsy fangaraharahana mikasika ny « Fond souverain » izay tsy fantatra mazava intsony fomba fitantanana azy. Lasa sokajiana ho mpanohitra fampandrosoana indray izany ny Fiarahamonim-pirenena ? Firifiry moa ireo tetikasa nandanian’ny Fanjakana Rajoelina vola tsy toko tsy forohana sy heverina fa tsy laharam-pahamehana izay toa tsy tena nijerena tombotsoam-bahoaka fa nentina tamin’ny aigam-panahy sy izay maha diavolana ny sainy ? Nandaniana 77 tapitrisa dolara na 345 miliara Ar eo ny kianja Barea fa inona no tena vokatra sy tamberiny entiny ho an’ny Firenena ? Nitrosana 152 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely ny teleferika fa hitondra inona ? Na ny fampiodinana aza mbola handany vola fa tsy hampiditra ? Na ny trosa aza mety any amin’ny 15 ka hatramin’ny 20 taona vao tafaverina ? Izany ve no fampandrosoana sa trosa manandevo ? Dia rehefa tsikeraina ireny dia fanakanana fandrosoana ? Ireny no maika sy laharam-pahamehana eo anatrehan’izao fahantran’ny Firenena izao ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT