Tsy mbola nivadika tamin’i Andry Rajoelina aho hatramin’izay, hoy ny depiote, Naivo Raholdina, fa rehefa misy minisitra sasantsasany mitady hanimba ny endriky ny filoham-pirenena sy ny TGV ary IRD
dia tsy maintsy mijoro aho na iza faly na iza tsy faly. Ny zava-niseho dia nisy tolona sendikaly nataon’ny vaditany na “greffier” teny Anosy, hoy izy. Notapahan’ny minisiteran’ny fitsarana ny karaman’ireo. Voatonontonona ny anarako satria rehefa misy mahazo ny vahoaka na iza na iza dia tsy maintsy miteny aho amin’ny maha solombavambahoakan’I Madagasikara ahy. Isan’ny nitarika ny tolona tamin’ny depiote 73 aho. Nitolona tamin’ny 2009 sy 2018 fa tsy nisy nanapaka karama izany. Ireo vaditany sasany ireo na tsy manao politika aza nisy nitolona teny amin’ny 13 may, tsy nisy tapaka karama ka nahoana, sady efa tsy voavahan’andriamatoa minisitra ny olana no mbola ny filoha Andry Rajoelina foana no hiangonan’ny rihitra eto? Niteny aho hoe tsy mety izany fa avereno ny karaman’ireo olona miisa 56 ireo ary diniho ny fitakiany sao misy azo atao ihany? Gaga aho fa ny fanoharan’ny minisitry ny fitsarana dia hoe raha ny mpiasa an-tranonao ve no tsy miasa dia tsy ho tapahan’ny “patron” ny karama. Tsy ny minisitra no mpampiasa ny “Greffier” fa ny vahoaka. Ny minisitra sy depiote koa mpiasam-bahoaka ary volam-bahoaka no handoavana ny karaman’ireo. Tsy Andry Rajoelina no nanapaka ny karaman’ireo vaditany fa ny minisiteran’ny fitsarana ary ny minisitra no nanao sonia ka izao no mifona aminareo. Vakio ny andininy faha 54 ao amin’ny lalampanorenana fa zonay ny manala minisitra ary tsy maintsy ho tonga izany raha mbola misy ny fanaovana tsindry hazo lena ataona mpanatanteraka sasany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.