Politique

Naivo Raholdina “Tsy nisy vola nomena ireo depiote izany”


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Raikitra ny “Motion de censure” na fitsipaham-pitokisana hataon'ireo depiote amin’ny governemanta ety amin'ny Antenimieram-pirenena ankehitriny,

hoy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, teny Tsimbazaza omaly. Efa miisa 104 moa ny sonia voaangona hatramin’ny tamin’ny 2 ora sy 30 teo tamin’iny omaly iny. Lazaina foana, hoy ity solombavambahoaka ity fa misy vola zaraina ao ambadiky ny tahaka izao. Tsy nisy vola nomena ireo depiote nanao izany fa tena "volonté" na nahim-pon’ny tsirairay avy noho ny fahitana ny tsy fandehanan'ny raharaha amin'ny minisitera sasany no anton’izao. Resy lahatra amin’izany daholo izahay depiote IRD sy depiote maro. Efa ela aho no niteny an’io fa tsy vao izao ary tadidinareo tsara angamba ny nampiakarako feo matetika farany teo mikasika ny fomba fiasan’ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny mponina. Isika manao “building” nefa ny vahoaka mbola misy matory anaty tonelina. Misy tsy milamina ao no dikan’izany, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT