Politique

Naivo Raholdina “Tokony hifantoka amin’ny filan’ny vahoaka ny tetibola 2023”


  • Alarobia 19 Oktobra 2022

Isany volavolan-dalàna goavana ho laniana ny mahakasika ny tetibolam-panjakana 2023 (LFI 2023), hoy ny depiote Naivo Raholdina,

nandritry ny fanokafana fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza omaly. Tokony hifantoka amin'ny filan'ny vahoaka, hoy ity filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eny anivon’ny antenimieram-pirenena ity izany. Tokony dinihina, hoy izy, ireo fitakiana samihafa toy ny an'ny mpiraki-draharaha sy MESUPRES raha mitombina ny fitakiana. Ny an'ny vaomiera izay tarihiny dia ny volavolan-dalana mahakasika ny tanin'ny voanjo no isany ho ampandaniany. Votoatin'io volavolan-dalana io ny fanomezana ny tanin'ny “voanjo” ho an'ireo nanajary mihoatra ny 5 taona. Vokatra mivaingana tamin’ny asan'ny vaomiera izay notarihiny moa ny fandresena amin'ny mpandova tamin'ny raharaha Antanandrano mampifanandrina azy ireo sy ny Telma. Tany amin’ny fampiakarana didy na "appel" no nahazoan’ny mpandova io fandresena io. Hijery akaiky ireo fitarainan'ny vahoaka miantefa mivantana aminy ny vaomiera, hoy hatrany ity filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT