Politique

Naivo Raholdina “Tezitra fa tsy afaka narovako intsony ilay sefo fokontany”


  • Talata 13 Septambra 2022

Mitohy hatrany ny tatitra nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, Naivo Raholdina, voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy.

Ny sabotsy 10 septambra 2022 no nanohizany izany indray tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny an-toerana tao amin’ny villa Hanitriniala Ambohidahy Ankadindramamy, hoy ny fampitam-baovao. Isany nanatrika izany ny sefo distrika Tana 5 sy ny mpiara-miasa aminy toy ny lefiny roa, ny delegen’ny boriborintany fahadimy sy ny lefiny, ny lehiben’ny ivonketra Tana 5 ny sefo fokontany sy ny lefiny ary ny sekretera mpitahiry volan’ny Fokontany. Nozaraina tamin’izy ireo ireo tahirin-kevitra mirakitra ny lalana lany sy ny zavatra niseho rehetra tamin’ny fivoriana ara potoana voalohany teny amin’ny Antienimerampirenena. Ny sefo fokontany no anisany akaiky ny vahoaka indrindra ka miara-miasa aminy avokoa ireo tomponandraikitra eny an-toerana ary isan’izany ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina. Mahakasika ireo reseka naparitaky ny sefo fokontany analamahitsy tanana teo aloha hoe nanambana basy azy sy naka ny findainy sy ny hafa dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa lainga marivotototra io filazana io ary tany misy lalana eto Madagasikara ka efa napetraka eny anivon’ny fitsarana ny fitoriana azy mikasika izany vaovao tsy marina izany, ary indrindra, ny fandrahonana izay ataon’io sefo fokontany voaroka io fa ny marina dia niaro azy foana ny Solombavambahoaka, Naivo Raholdina, hatramin’izay na dia maro aza ny fitarainan’ny olona mikasika azy toy ny tamin’ny Vary Tsinjo sy fikitakitana vahoaka sy ny sisa. Farany teo kosa dia nitaraina teny anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny mponina maro teny Analamahitsy tanana amin’ny fakana vola mihoam-pampana eny amin’ny mponina sy orinasa eny an-toerana kanefa tsy miditra eny amin’ny fokontany akory ny sasany sy ny sisa fa lasa tombontsoany manokana dia tezitra izy satria tsy voaaron’ny Solombavambahoaka intsony kanefa mitonona ho mpanohana ny fitondrana izy, hoy hatrany I Naivo Raholdina. Tsy ara-dalana sy tsy misy porofo ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataon’io sefo fokontany io, hoy izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT