Politique

Naivo Raholdina “Soniako no nataoko fa tsy nisy nangalatra”


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Tsy misy fanodinkodinam-bola izany eto amin’ny antenimieram-pirenena, hoy ny depiote Naivo Raholdina, ny sabotsy teo teny Tsimbazaza.

Misy kestora fahatelo sy tompon’andraikitra ao raha misy depiote mahita an’izany, hoy izy, fa tsy ny depiote tsy mivory na depiote HVM teo aloha izay hampirisihin’ny minisitra sasany miaro ny toerany no hiampanga ny filohan’ny antenimieram-pirenena sy ny kestora. Ny nahatonga ny sonia dia tsotra. Izaho mahita fa misy minisitra maromaro tsy manatanteraka ny asan’ny filoham-pirenena. Soniako no nataoko fa tsy nisy nangalatra. Depiote maro fa tsy TGV irery no nanao sonia tao satria tsy mety loatra ilay tsy fanajana depiote. Misy minisitra vao mitondra hevitra any aminy ianao hoe tsy mety ny fanapahana karamana mpiraki-draharaha na “greffier”, ohatra, dia avy ilay minisitra dia miteny hoe tsy depiote no “patron” anay fa ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena. Noho ny tsy fanajan’ny minisitra sasany ireo depiote no nahatonga anay nanao sonia ary izao tsy afaka ny hiverina handa hoe tsy nanao sonia an’iny. Ny filoham-pirenena kosa hajaiko satria izy nametraka an’ireo dia izy izany no tokony hanova ny iraka ampanaovina an’ireo araka ny tokony ho izy. Nosintomiko ny soniako satria ny voalazan’ny birao politika anay dia hoe tsy miombon-kevitra amin’io. Tsipak’ombalahy mahatonga saina ireo minisitra ireo ireny fa tsy azo atao tsinontsinona izany olona voafidim-bahoaka izany. Tsy ekenay ny fanilihana an’io any amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Volan’ny minisiteran’ny mponina hanaovana fitsirihina na “audit” ary raha te hiteny ianareo hoe nisy fanodinkodinam-bola tato dia ireo minisitra mandeha any an-dafy isan’andro ireo aloha jerena, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT