Politique

Naivo Raholdina mivady “Solombavambahoaka hatrany no ho ataonay”


  • Zoma 10 Martsa 2023

23 taona amin’ity 2023 ity no nanaovan-dRamatoa Hanitriniala Raholdina mivady asa sosialy raha 16 taona no naha ara-panjakana ny Fanantenana FAFIV, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity.

Miaro sy manasoa vahoaka no filamatra ary “Aza manao kely tsy mba mamindra”, hoy ny fanazavana. Mitohy foana izany fanampiana ny tena sahirana izany, indrindra, amin’ny 8 martsa toy izao. Taorian’ny tafatafa sy hafatrafatra teo amin’ny samy vehivavy niarahana tamin’ireo mpamafa lalana na RF2 an-jatony sy mpanasa lamba an-jatony dia nisy ny fanomezana toy ny vary, menaka, voamaina, savony, koveta sy ny maro hafa ary akanjo fitafy sy bodofotsy ho an’ny mpitsindroka fako ary amin’ny maha boriboritany fahadimy azy dia nisy ny mofomamy mitam-pihavanana no nanatanterahana ny 8 martsa tamin’ity taona ity. Vehivavy tia mifampitsinjo no filamatra tamin’ity taona ity. Nanamafy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina izay filoha mpanorina ny FAFI V sy ny vadiny, Hanitriniala Fanantenana, izay filohan’ny fikambanam-behivavy Fanantenana FAFI V fa hotohizana hatrany ny asa sosialy izay fanaony ary solombavambahoaka hatrany no ho ataonay mivady fa tsy mila toeran-kafa toy ny minisitra na hafa izahay na dia manana ny fahaizana sy traikefa amin’izany aza, hoy hatrany ny depiote Naivo Raholdina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT