Politique

Naivo Raholdina “Mitohy foana ny vatsy tsinjo fa tsy hoe…”


  • Talata 01 Aogositra 2023

Mitohy foana ny vatsy tsinjo fa tsy hoe nanomboka ny sabotsy teo dia hifarana sabotsy, hoy ny filohan’ny antoko

politika TGV na Tanora malagasy vonona eny amin’ny boriboritany fahadimy, Naivo Raholdina, omaly nandritry ny fizarana ny anjaran’ny boriboritany faha 5 amin’izany tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Fokontany miisa 4, hoy izy, ho amin’ny anio (TTF: omaly) no nizarana izany indray dia Ambohidahy Akadindramamy, Ankerana Ankadindramamy, Andraisoro, Ampanitokana. Miisa 1600 teo no nisitraka izany. Samy hahazo ny anjarany daholo ny fokontany 27, hoy hatrany izy. Eo amin’ny lafiny politika dia nanamafy ny tenany fa tsy tokony hiheritreritra mihitsy ny vahoaka malagasy na dia iray segondra aza fa tsy hirotsaka ho fidiana fanindroany ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Betsaka, hoy izy, ny adidy mbola tsy vita sy ny fanohizana ny efa vita tokony ho tanterahana. Efa milamina tanteraka ny momba ny fifidianana ary tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika. Antoko iray lehibe ary misy fitsipika ny TGV. Ny IRD dia vovonana misy fitsipika. Tsy teo amin’ny fitondrana aza i Andry Rajoelina nandresy. Maika ve fa efa niasa? Mety misy ny miala fa io tonga amin’ilay fitenenana hoe ny eo miala, ny eo miditra. Raha 10 no niala, 100 no niditra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT