Voatonontonona foana ny anarako tao ho ao, hoy ny depiote Naivo Raholdina, noho ny resaka hoe miaro TGV sy ny maro. Tsy afenina aminareo, hoy izy,
fa efa nanomboka tamin’ny 2009 izahay no nitolona. Hatramin’izao tsy mbola niala tamin’ny filoha Andry Rajoelina. Tsy ny depioten’I Benenitra na Soalala mihitsy no hanome lesona an-dRaholdina. Samy “3 mandats” izahay. Fiarovana ny filoha Andry Rajoelina no tsy hirarahiako ireny rehetra ireny. Efa tafaresaka tamin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra aho. Efa tafita ny hafatra. Tsy ekena ny fanilikilihana mpikambana TGV. Ikotobalita no natao batisa, Ikotovoalavo no mitsoriaka any an-danitra. Zanak’Antananarivo aho. Anaty Imerina 6 toko I Vakinankaratra. Raha miaro ny olony ny avy any amin’ny faritra dia miaro ny zanak’Antananarivo koa aho! Malagasy iray isika, hoy I Andrianampoinimerina. Ny ranomasina no valamparihiko. Mitovy daholo na avy any atsimo na atsinanana. Tsy ekena ny hoe rehefa miova ny minisitra dia miova hatramin’ny “planton” na irakiraka. Tsy manana olana amin’ny minisitry ny mponina aho fa tsy ekeko ny manalanala olona amin’ny tsy rariny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.