Politique

Naivo Raholdina “Ilay mpanolontsain’ny Filoha no tokony hiala”


  • Zoma 03 Martsa 2023

Ilay mpanolontsain’ny filoham-pirenena niteny hoe tokony hametra-pialana ny filohan’ny antenimieram-pirenena angamba no tokony hametra-pialana tsy ho mpanolontsain’ny filoham-pirenena intsony,

hoy ny depiote, Naivo Raholdina. Tadidio, hoy izy, fa lany 100% tao amin’ny antenimieram-pirenena ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa. Na ny depiote mpanohitra aza nifidy azy. Ilay mpanolontsaina io no tsy lany tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ilay mamaky ady amin’ny depiote toy ireny ilay manimba sary. Aza adinoina fa ny depiote afaka manao fitsipaham-pitokisana, “motion de censure” na “motion d’empêchement”. Nitolona tamin’ny 2009 I ramatoa Christine Razanamahasoa. Matoa izy niteny an’ireny misy antony. Amiko ireny fanambaran’ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny repoblika ireny dia fampiadiana ny antenimieram-pirenena sy ny fiadidiana ny repoblika. Miray hina foana ny depiote. Averiko ihany fa antony 2 no nanaovako sonia iny “motion de censure” iny. Hitako hoe tsy mendrika ny minisitry ny fitsarana sy minisitry ny mponina. Na mbola ho ataon’ny filoham-pirenena minisitra rahampitso aza anefa ny minisitry ny mponina dia mbola ho tohanako ny filoham-pirenena saingy tsy midika izany fa tsy ho tsikeraiko ilay praiminisitra rehefa hitako hoe tsy mety ny ataony. Misy mandainga ireny depiote milaza fa nangalarina ireny ny soniany. Tadidio fa manome baiko ny filoham-pirenena fa misy minisitra tsy manaraka ny baikony. Sarotra be izany handrava birao maharitra izany. Ataon’ny mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena ahoana ny handrava an’ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT