Politique

Naina Andriantsitohaina Mampitombo ny serasera fitetezan-tsena


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Tsikaritra tato ho ato, fa miezaka mampitombo ny fitetezan-toerana sy tsena eto Antananarivo ny ben’ny tanàna Atoa Naina Andriantsitohaina.

Raha kianin’ny olon’ny fitondrana i Marc Ravalomanana amin’ny fihetsika tahaka izao, dia efa tsy izy irery intsony izao no manao tahaka izany fa misy hafa. Mihaino sy mifampiresaka amin’ireo sokajin’olona samihafa, mba hanehoana fa tena akaiky ny vahoakan’Antananarivo, ary mitady vahaolana ho azy ireo amin’izao andalam-pifaranan’ny taom-piasana izao. « Tonga nijery ny zava-nisy teny amin’ny tsenan’ny voninkazo Anosy sy ny tsenan’ny Soamanatombo ny tenako. Nitafa sy nihaino ny fitarainan’ireo mpivarotra teny amin’ny tsenan’ny voninkazo aho, ka hisy ny fandaminana eny amin’iny faritra iny ho fanatsarana sy fanadiovana ny toerana, toy ny fandaminana ny toby fiantsonan’ny fiara mankany Imerintsiatosika, ny fandaminana ny tsenan’ireo tantsaha », hoy ny ben’ny tanàna. Hisy ihany koa, hoy izy, ny fanatsarana ny « parking » izay hatao ho tantanin’ny Fikambanana eny an-toerana manomboka eo amin’ny lalamby hatrany amin’ny HJRA. Raha ny teny amin’ny Tsenan’ny Soamanatombo indray dia nambara fa maro ihany koa ny fangatahan’izy ireo, toy ny fampitomboan'ny « parking », ny fampidirana ny jiro sy ny rano ao an-tsena, ary ny hanasiana Polisy Monisipaly mba hisian’ny fandriam-pahalemana kokoa. Manoloana izany, nampanantena ity ben’ny tanàna ity, fa hisy ny vahaolana entina hanatsarana ny tsena sy hamaliana ny fangatahan’ireo mpivarotra, fa entanina kosa izy ireo hahay hifandamina sy hanaja ny toeram-pivarotany. Tena miezaka maneho an-tsary ny ben’ny tanàna fa akaiky ny vahoaka, mahay mitakosina, ary mitondra vahaolana,… Efa akaiky tokoa ve ny fiafaran’ny taom-piasana ka tsy maintsy mba alaina indray aloha ny fon’ny olona ? Raha ny resaka fitantanana ny tanàna mantsy, ekena fa mety nanao izay heveriny fa ezaka ny ben’ny tanàna sy ny ekipany fa moa tena araka ny nampanantenaina tamin’ny propagandy ve? Moa araka ilay fomba firesaka tamin’izany fa raha tiana handroso ny tanàna dia olona iray antoko amin’ny fitondrana no fidiana ? Manao ahoana ny fahadiovan’Antananarivo, ny làlana, ny fotodrafitrasa,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT