Politique

Naika Eliane Tonga hanohy ny tolona


  • Alarobia 09 Novambra 2011

Tafaverina an-tanindrazana ny alatsinainy alina teo Rtoa Naika Eliane, iray amin’ireo kandida 3 natolotry ny ankolafy Ravalomanana amin’ny toeran’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana saingy nanapa-kevitra ny hiala an-daharana.

 Efa nisy ny fanazavana nomeny momba ny antony nisintahany ka nambarany tamin’izany raha tsiahivina ny fitakiany ny famoahana mialoha ireo gadra politika, ny fiverenana tsy misy fepetran’ireo sesitany ary ny fanokafana ny fahitalavitra sy onjampeo nakaton’ny FAT. Misy koa ny antony hafa narosony amin’izao maha eto an-toerana azy izao. Voalaza ao amin’ny andininy faha-5 fa tsy tokony hotendrena amin’ny toeran’ny Praiminisitra izay olona avy amin’ny firohotana manohana an’i Andry Rajoelina kanefa ireo kandida rehetra dia avy amin’ny firehana Rajoelina avokoa ankoatra azy sy Botozaza Pierrot ary Manandafy Rakotonirina. Misy aza ireo efa nilaza fa hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena nefa mbola nitady ny toeran’ny Praiminisitra ihany araka ny fanamarihana nataon-dRtoa Naika. Aminy dia «sarimihetsika avokoa ny zava-misy». Naverimberin’ity senateran’i Menabe ity hatrany koa ny filazana fa tsy madio am-po ny mpanao politika Malagasy.

Nahatalanjona azy manokana ny fitanilana tamin’ny fanolorana anarana ho praiminisitra. Raha samy tokony hanome lisitra misy anarana 3 avy ny ankolafy sy vondrona rehetra dia 1 ihany no natolotry ny ankolafy Zafy izay nekena kanefa nasaina nalatsaka ny olona 1 tamin’ireo 4 naroson’ny AREMA mba hahatonga ilay lisitra ho 3. Velom-panontaniana noho izany ny tenany hoe : “Nahoana no tsy noterena nanolotra anarana 3 koa ny ankolafy Zafy ? Kianiny koa ny fihetsik’i Andry Rajoelina izay tsy mba nandray fanapahan-kevitra hametrahana ny fitoniana ara-politika kenefa efa nanao fandeferana be dia be ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fanekena an’i TGV ho filohan’ny tetezamita.

Ny ampitson’ny nanaovan-tsonia ny tondrozotra notontosaina ny alin’ny 16 septambra hifoha 17 septambra 2011 mantsy dia efa namoahana “NOTAM” indray ny filoha Ravalomanana. Mbola nisy 1 volana sy 12 andro koa teo anelanelan’ny fahavitan’io sonian’ny tondrozotra io sy ny fanendrena ny praiminisitra vaovao kanefa tsy nisy mihitsy izany fepetra hisian’ny fitoniana izany. Fanitsakitsahana ny andininy faha-30 ao amin’ny tondrozotra izay mamafa ny mety ho heloka vitan’ireo gadra ireo no fahitany izany. Nohamafisiny koa fa tsy laharampahamehana aminy velively ny resaka toerana raha tsy izany efa niverina izy vao naroso ho kandida praiminisitra fa ny fampodiana tsy misy fepetra ireo sesitany, ny famoahana ny gadra politika ary ny fanokafana ny onjampeo sy fahitalavitra nakaton’ny FAT no antony nodiany eto sady hanohy ny tolona ary efa manana ny paikady amin’izany ny tenany. Raha manaiky ireo fepetra ireo moa i Andry Rajoelina sy Jean Omer Beriziky dia vonona ny hihaona amin’izy ireo ny tenany.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT