Politique

Naika Eliane Mitaky ny hamoahana an-dry kolonely Charles


  • Alatsinainy 14 Novambra 2011

Iray amin’ireo sesitany politika, noho ny raharaha 2009, efa tafaverina eto Madagasikara Rtoa Naika Eliane.

 Herinandro izay no nahatongavany an-tanindrazana. Ny sabotsy teo dia anisan’ireo tazana teny amin’ny Kianjan’ny Finoana, teny Behoririka ny tenany ary nandray fitenenana. «Tanindrazako ity ka tsy misy afaka hisakana ahy aty», hoy izy raha vao nandray fitenenana. Nasiany resaka ny momba ny sori-dalana. Tsy fitadiavan-tseza, hoy ity Senateran’i Menabe teo aloha ity no nodiako fa “misy zavatra tsy mbola mety eto an-tanindrazana”. «Mbola any am-ponja ny havanay, mbola mihidy ireo radio sy fahitalavitra ary ny longonay mbola any ivelany. Mafy tena mafy izany sesitany izany. Na izay faran’ny fahavaloko indrindra aza, dia tsy maniry izany ho azy aho. Enga anie ka tsy hisy ny fifandimbiasan-toerana ka izahay tafody dia izy ireo indray no ho any fa aleo isika hifandamina. Tsy ny fodiako no vahaolana fa ny fodian’ny prezida Ravalomanana no hany vahaolana».

Momba ireo gadra politika dia notsipihiny manokana ireo miaramila, ary nilaza ny tenany fa dia mitaky ny hamoahana ny kolonely Charles Andrianasoavina izay anisan’ny nisambotra azy. Nambarany fa efa namela heloka izy. Anisan’ireo niady mafy teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, indrindra ny Vondrona Eoropeanina i Naika Eliane. Raha nanontaniana momba izany moa izy dia mazava ny resaka ho an-dry zareo Eoropeanina fa raha tsy tafapetraka ny tetezamita iaraha-mitantana sy handraisan’ny rehetra anjara, raha tsy harahina an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana, ao anatin’izany ny fampodiana ireo sesitany politika dia ny filoha Ravalomanana dia tsy hisy mihitsy izany fankatoavana iraisam-pirenena izany. Momba izay fodian’ny filoha izay moa dia nilaza izy fa dingan’ny tolona amin’iazo ny fampodiana an-dRavalomanana, afaka hilatsaka ho fidiana ka tokony avela ny vahoaka hifidy malalaka.

Nambarany moa fa «raha izaho ny filoha Ravalomanana dia mody avy hatrany aho». Efa vonona hiaro azy ny vahoaka, hoy ihany Rtoa Naika Eliane ka “tsy tokony hisalasala intsony izy”. Momba ny mety hidirany na tsia ao anatin’ny rafitra tetezamita tena izy dia tsotra ny navaliny : “tsy hiditra aho fa hiverina amin’ny toerako. Nangalarina ny toerako ka tsy maintsy alaiko. Nametrahan’ny filoha Ravalomanana fitokisana in-droa aho ka alaiko ny sezako», hoy ihany Rtoa Naika Eliane, Loholon’i Menabe teo aloha.

Nangonin’i Soa

Sary : Naika Eliane, Loholon’i Menabe teo aloha, tao amin’ny Magro Behoririka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT