Politique

Naika Eliane Hiverina amin’ity herinandro ity


  • Alatsinainy 07 Novambra 2011

Hitodi-doha an-tanindrazana rehefa nanao sesitany politika ny tenany nandritra ny roa taona mahery izao, ny senatera teo aloha, Naika Eliane.

Amin’ny fiandohan’ity herinandro ity no hahatongavany eto. Ny filoha Marc Ravalomanana no nampahafantatra izany nandritra ny hetsiky ny Vondron’olon-tsotra tao Morondava omaly alahady 06 novambra. Rtoa Naika Eliane izany no hisantatra ny fiverenan’ireo sesitany politika, raha tsy hoe misy zavatra hafa miandry azy ara-pitsarana indray any. Tsiahivina fa iray tamin’ireo kandida telo natolotry ny ankolafy Ravalomanana ho praiminisitra i Naika Eliane. Nisy fanambarana anefa nataony nilaza fa “rehefa nisaina lalina aho dia nanapa-kevitra fa tsy hifanatrika amin’i Andry Rajoelina.

Ny antony dia ny tsy fanajany ireo voarakitry ny sori-dalana». Araka ny fanazavany, efa ho telo taona izao no nahateo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina, tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Tokony handray fepetra hisiana fitoniana ny tenany, hoy ihany ity senateran’i Menabe ity. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy ezaka ho amin’izany mihitsy nataon’i Andry Rajoelina, hoy ihany izy. Porofo izany, hoy i Naika Eliane, fa “mbola tavela any am-ponja ireo gadra politika, tsy natsahatra ireo fanenjehana ara-pitsarana atao amin’ireo mpanohitra, tsy mbola nofoanana ihany koa ny didy fampisamborana sy ny NOTAM natao tamin’ny filoha Ravalomanana ary dia mbola mihidy avokoa ireo haino aman-jery nakatona”. Resy lahatra ny tenako, hoy ihany i Naika Eliane fa “raha tsy misy fahatoniana mipetraka dia tsy hisy tetezamita afaka hitondra antsika ho amina fifidianana marina sy azo antoka izay mifototra amina filaminana sy fahatoniana”.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT