Raha nandrasana omaly ny fahatongavan-dRtoa Naika Eliane an-tanindrazana dia tsy tanteraka izany. Iray amin’ireo kandida telo natolotry ny ankolafy Ravalomanana ho praiminisitra izy.
Nisy fanambarana nataony omaly nilaza fa “rehefa nisaina lalina aho dia nanapa-kevitra fa tsy hifanatrika amin’i Andry Rajoelina. Ny antony dia ny tsy fanajany ireo voarakitry ny sori-dalana», hoy i Naika Eliane. Araka ny fanazavany, efa ho telo taona izao no nahateo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina, tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Tokony handray fepetra hisiana fitoniana ny tenany, hoy ihany ity senateran’i Menabe ity. Hatramin’izao anefa dia tsy nisy ezaka ho amin’izany mihitsy nataon’i Andry Rajoelina, hoy ihany izy. Porofo izany, hoy i Naika Eliane, fa “mbola tavela any am-ponja ireo gadra politika, tsy natsahatra ireo fanenjehana ara-pitsarana atao amin’ireo mpanohitra, tsy mbola nofoanana ihany koa ny didy fampisamborana sy ny NOTAM natao tamin’ny filoha Ravalomanana ary dia mbola mihidy avokoa ireo haino aman-jery nakatona”. Resy lahatra ny tenako, hoy ihany i Naika Eliane fa “raha tsy misy fahatoniana mipetraka dia tsy hisy tetezamita afaka hitondra antsika ho amina fifidianana marina sy azo antoka izay mifototra amina filaminana sy fahatoniana”.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.