Nahitsy ny MMM

« Mpitondra tsy mijery izay mahasoa vahoaka fa mieboebo fotsiny »


  • Talata 19 Novambra 2024

Tsapa fa variana amin’ny fieboeboana ny mpitondra fa tsy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka

hoy ny Antoko Malagasy Miara-Miainga omaly alatsinainy teny Ankerana. Porofon’izany ny firafitry ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana 2025 izay andaniana vola 600 miliara Ariary ho an’ny Autouroute eo anatrehan’izao fahasahiranam-bahoaka mavaivay izao : vidin-javatra lafo, jiro sy rano tsy misy. Voamarina hatrany ny tsy fahaiza-mitantan’i sy ny tsyfahaizana misafidy laharampahamehana
AUTOROUTE NO MAHAMAIKA
Efa izao ny toerana misy ny firenena, mbola tsy mahay manavaka ny laharam-pahamehana sy ny tsy laharam-pahamehana ihany ireo mpitondra hoy i Hajo Andrianainarivelo filoha nasionalin’ny MMM. Ao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025 io, na atambatra azany volam-panjakana omena ny Minisiteran’ny fampianarana ambony izay manodidina ny 17 Miliara Ariary, ny Fanabeazam-pirenena izay manodidina ny 62 Miliara Ariary, ny Fahasalamam-bahoaka, 40 Miliara Ariary , ny an’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana 16 Miliara Ariary dia tsy mbola ampy ny antsasaky ny vola laniana amin’ny Tetikasa Autoroute Antananarivo Toamasina, izay mitentina 611 Miliara Ariary.
MILA MIVERINA AMIN’NY ARA-DALANA
Azo atao ny manohy ny « appel à manifestationd’interet » izay efa natomboka kahanatanterahana io tetikasa io amin’ny alalan’ny 3P na ny Partenariat Public Privé toy ny fanao eran-tany mikasika ny tetikasa Autouroute hoy hatrany ny Antoko Malagasy Miara-Miainga. Fiverenana amin’ny ara-dalàna izany, fa ihany koa fitsinjovana ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana. Amin’izay fotoana hisy akony mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ny volam-panjakana araka ny fomba fijerin’ny antoko MMM hatrany.
MIANTSO FANDRAISAN’ANDRAIKITRA
Miantso ireo Solombavambahoaka sy Loholona arak’izany ity antoko ity, handinika sy hamakafakana ary mba hahay hisolo vava ny vahoaka tokoa eo anatrehan’izao olana ara-tsosialy, herinaratra sy rano izao ka hikatsaka ny tombotson’ny daholobe.Ankoatra izay, miantso ireo rafitra mikarakara ny fifidianana, tomponandraikitra sy ireo rafi-pitsarana isan’ambaratongany hanao ny asany araka ny tokony ho izy sy manaraka ny lalàna hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ity Antoko ity. Ny Antoko Malagasy Miara-Miainga, izay mandray anjara ary manana kandida Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna manerana ny Nosy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT