Efa betsaka ireo voalazan’ny namana rehetra niatrika ny fifidianana,
hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo sady kandida solombavambahoaka tao Toliara II tamin’ny anaran’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, mikasika ny zotram-pifidianana. Isany, hoy izy, ny manodidina ny falotoan’ilay fifidianana, ny hala-bato, fanaovana tsindry, ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny karazany. Ny adihevitra izany izao dia ny hoe inona no ho vokatra avoakan’ny HCC taorian’ireny famoahan’ny CENI vokatra vonjimaika ireny. Mipetraka avy hatrany koa ny adihevitra manoloana ny lalàna hoe raha ny lalàna no jerena, manao ahoana ny zava-nitranga nanodidina ny fifidianana teo? Mazava tsara ny voalazan’ny andininy faha 49 ao anaty lalàmpanorenana. Izany filohan’ny repoblika izany na tiana na tsy tiana, na manohitra azy ianao na momba azy, dia tandindon’ny fanjakana iny, izany hoe iraisan’ny malagasy rehetra. Tsy azo heverina akory, noho izany, na dia iray segaondra aza hoe hisy izany IRMAR na Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina izany afaka handatsaka kandida solombavambahoaka. Raha ny lalàna izany no jerena, na nisy mpitory na tsy nisy, dia tokony afaka handray avy hatrany ny HCC hoe «disqualifié» na tokony nofoanana tsy ho kandida avokoa ny tao anaty IRMAR, izay nolazaina fa kandidam-panjakana! Izany aza mitarika amin’ny tokony hametrahan’ny filoham-pirenena fialana ihany koa satria nandika lalàna goavana izy. Fandikàn-dalàna tafahoatra izany ary azo lazaina ho famadihana mihitsy satria hitanao hoe andriamatoa Andry Rajoelina izany dia tsy filohan’ny malagasy rehetra fa filohan’ireo mpomba azy sy ireo kandida narotsany. Izay no hiresahako hoe tsy tokony hiandrasana mpitory akory dia efa tokony hampiharina avy hatrany ny lalàna tao anatin’izany tranga izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.