Namory ny mpanao gazety tetsy amin`ny IBIS Hotel Ankorondrano, omaly tolak`andro, ny teo anivon`ny antoko Malagasy Tonga Saina izay nanao fanambarana manoloana ny raharaha nitranga ny 21 aprily lasa teo.
Nandritra ny lahateny nataon`ny filohan`ny antoko MTS, Roland Ratsiraka, dia nitaky ny fifanakalozan-kevitra hatrany araky ny maha samy Malagasy. Ny MTS rahateo dia mijoro araka ny soatoavina 12 ananany sy mandala ny fihavanana araky ny nambarany. Tsy maintsy maneho ny heviny hatrany Roland Ratsiraka rehefa takian`ny raharaham-pirenena toy izao, hoy izy. Ny antoko MTS ihany koa dia maneho ny fiaraha-miory sy miombona amin`ny fianakavian`ireo izay naira-boina tamin`ny sabotsy lasa teo ary miantso ny rehetra mba ho tony manoloana ny fiaianam-pirenena somary mafana amin`izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.