Politique

MTPM Mila miova tanteraka ny praiminisitra


  • Alarobia 05 Oktobra 2011

Tsy tenierana ny praiminisitra amin’izao fotoana izao fa hery tokana no nanendry azy, hoy ny antokon’ny mpiasa sy ny tia tanindrazana na ny MTPM.

 Noho izany dia tsy maintsy ovaina ny praiminisitra, hoy i Be Flavien, filohan’ity vondrona ity, satria efa notendrena tsy nierana tamin’ireo ankolafin-kery hafa i Camille Vital ka tsy maintsy mila olon-kafa. Ho an’ny MTPM dia tsy olona tia tanindrazana ireo minia manova izay voarakitra ao anatin’ilay sori-dalana nosoniavina ny 17 septambra 2011 lasa teo. Heverin’ity antoko ity anefa fa tokony hiady mafy ny rehetra amin’ny fampiharana io sori-dalana io. Fiaraha-mitantana no kendrena hivahan’ny olana, araka ny fanazavana. Ny governemanta amin’izao fotoana izao anefa dia tsy misy afa-tsy olom-bitsy no mba avy amina firehana hafa.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT