Politique

Msoivohon’ny Vondrona Afrikanina Miantso fitoniana sy filaminana


  • Zoma 17 Martsa 2023

Mifanarana ny andraikitra maha solontena manokan’ny Filohan’ny Kaomisionina Afrikanina eto Madagasikara an-dRtoa Hawa Ahmed Youssouf, rehefa niasa teto Madagasikara nandritra ny 9 taona angarangidina.

Midika fa mahalala tsara ny zava-misy na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy eto Madagasikara izy, raha raisina amin’izany. Tonga nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ity diplaomaty ity omaly 16 martsa. Nifantohan’ny fihaonan’ny roa tonta ny jery todika mahakasika ireo fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona Afrikana. Manoloana ny toe-draharaha misy eto, naneho ny faniriany ny hisian’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena, indrindra fa amin’ny lafiny politika mba ahafahana miroso lalindalina amin’ny lafiny fampandrosoana Rtoa Hawa Ahmed Youssouf. Nandefa hafatra manokana ho an’ireo mpanao politika mba tena ho tonga saina sy hijery ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka sy ny firenena. Tetsy andaniny, nanome toky ny amin’ny hijerena akaiky ny fanomanana sy ny hanatanterahana ny fifidianana ny Lehiben’ny governemanta.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT